Madagascar Tribune | RAZANAKOTO Robine
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Fahatsiarovana

lundi 30 juin 2008

Ho an’i Mama

RAZANAKOTO Robine
30/06/2005 - 30/06/2008

ANY IANAO

Njao mitamberina ato an-tsaiko
’Reo teny mamy napetrakao
Mamelombelona ny aiko
Mbola eto foana « ianao »
Sarotra kosa ange ry Neny
Ny tsy maintsy hanekena
lanao any, kanefa izahay aty
Dia tsy maintsy izany foana ve akia ?
Ra-tojo olana mianjady
« zava-misy foana » io hoy ianao
Tsy maintsy vonona hiady
Fantatro fa miahy ahy ianao
Tsy hanadino anao ny foko
Na dia lavitra aza ianao
Loharanom-pifaliako
Sy fahasambarako hatramin’izao

Soa fa eo ny fanantenana
Mbola eo koa i Dada
Tsy mitsahatra mitady
Miezaka mameno ny banga
Tsy hanaiky anefa aho
Raha tsy ahazo hanantena
Fa mbola ho avy ilay andro izay
Fiarahantsika mianakavy indray
O ! ry Mama telo taona lasa tokoa izay
No nandaozanao anay
Toa mangahiahy ny fiainanay
Fa very namana izahay.

-  Avy amin’i Dada
RAZANAKOTO Samuel

-  Avy amin’ireo zanakao
ANDRIANAVONY Manitra sy Mbola
RAZANAKOTO Rado sy Lalaina
RAZANAKOT0 Zo

-  Avy amin’ireo zafikelinao
RAZANAKOTO Radoniaina

-  Avy amin’ny Reny malalanao
RAVELOARISOA

-  Avy amin’ireo iray tampo aminy
ANDRIAMISAINA Guy mianadahy avy sy ny vady aman-janany ary ny zafikeliny

-  Avy amin’ireo iray tampo amin’ny Dada
RANDRIAMASY mianadahy sy ny zanak’aman-jafiny

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    juin 2008   
    L Ma Me J V S D
                1
    2 3 4 5 6 7 8
    9 10 11 12 13 14 15
    16 17 18 19 20 21 22
    23 24 25 26 27 28 29
    30            
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP