Fahatsiarovana tsy maty :
Misalovana ato anaty,
Mibosesika tsy tanty,
Te-hiseho, te-hiranty !
Tsy voafafako ato an-tsaina,
Alina mandra-maraina,
Nefa aho tsy hitaraina
Fa hanohy ‘zay nokasaina.
Fonao no ato am-poko,
Mifangihy am-bokovoko
Tandindonao tsy miova loko.
Mitsidika ahy an-tsokosoko !
Matokia ry Mala !a :
« Ny hafatrao tsy an-jorom-bala,
N’iza n’iza hankahala,
Voiziko tsy an-kisala ».
Nonoh sy Anja
| L | Ma | Me | J | V | S | D |
|---|---|---|---|---|---|---|
| 1 | 2 | 3 | 4 | |||
| 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 |
| 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 |
| 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 |
| 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |