Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 15h16
 

Malagasy

EKAR diosezy Mahajanga

Pretra maromaro no voatendry

mercredi 7 janvier 2009 |  1553 visites  | Crépin Randrianjafy

Tato ho ato izay dia betsaka tokoa ireo fanavaozana teto amin’ny katolika diosezin’i Mahajanga. Hita izany nanomboka tamin’ny fanendrena ny eveka mpanampy ka hatramin’izao fotoana izao. Nisy ny fanendrena ireo pretra ato amin’ny diosezy, nalefa any amin’ny toerana mila azy ireny, ny sasany kosa dia mbola miandry ny fanendrena. Misy ihany koa ireo pretra mbola tsy voakitika mihitsy noho ny lamina tsy maintsy atao eo amin’ny fanendrena fa tsy ataotao foana mantsy izany, hoy ny fanazavana azo tamin’ny Diakra iray eto Mahajanga. Nivory indray ny pretra sy ny eveka roa lahy tamin’iny novambra lasa teo iny, betsaka ny zavatra tapaka tamin’izany ka anisan’ny voalaza tao ny fanovana ireo sektera efatra teo aloha. Ankehitriny dia natsoina hoe vikaria indray ireo sektera efatra teo aloha dia ny Ikopa, Betsiboka, Ambongo, Mahajanga-Ville. Mbola andrasana ny anarana fanampiny hiantsoana ireo vikaria vaovao ato amin’ny diosezy. Eo anatrehan’izay anefa dia andrasana ihany koa ny fanendrena ireo vikera Episcopal izay hitantana ny vikaria tsirairay avy, ny eveka moa no tompo-marika amin’ny fanendrena ireo pretra hitazona azy ireo. Afaka misolo toerana, eo amin’ny asan’ny eveka izy ireo any amin’ny toerana izay misy azy ireo raha toa ka mbola zavatra azo lazaina tsotsotra ihany ny olana mitranga, mazava ho azy ary fa solontenan’ny eveka any an-toerana izy.

Fanendrena ireo pretra

Voalaza fa tsy ho avy hanimba zavatra ny eveka fa mba mijery ihany koa ny fandaminana, na dia efa tapitra aza ny fe-potoana izay hiasan’ny pretra iray, ka raha hita fa mbola tokony hijanona eo amin’ny toerany izy dia tsy hita ny maharatsy izany. Raha mbola eo am-piomankomanana ny hanamasinana eveka an’i Mompera Georges Varkey izay voatendry hiasa any Port-Bergé kosa, efa voatendry ihany koa hitantana ny “économat” eto amin’ny diosezin’i Mahajanga i Mompera Bruno izay nitantana ny paroasy tany Marovoay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS