::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
lundi 6 juillet 2009
 

 > Malagasy

Fitaterana • Tsy milamina eny Ampasampito

Potehina ny Kompima

mardi 1er juillet 2008, par Manou
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail

Tsy mety voarindran’ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra mihitsy ny fitantanana ny toby fiantsonan’ny fiara mpitatitra mpandeha ao Ampasampito !

Very hevitra noho io toe-javatra io ny kaoperativa Kompima, iray amin’ireo kaoperativa mpitatitra olona mankany Moramanga, nafindra eny Ampasampito hanaovan’ny kaominina andrana amin’ny fitantanana ny « Gare routière » vaovao.

Tsy mazava intsony

Nifanarahan’ireo kaoperativa rehetra sy ny kaominina tany am-piandohana fa handramana avokoa izay soso-kevitra mety hampilamina ny fiarahana teny. Isan’izany ny « 1 sy 2 » izay fomba fifandimbiasana mameno fiara napetraka handramana mandritry ny herinandro ka hameno fiara iray ny kaoperativa hafa isaky ny mahafeno fiara iray ny Kompima noho izy manana fiara maro nohon’ny fitambaran’ny an’ireo kaoperativa efatra hafa miasa eny. Nangataka ny hanandramana ny samy mameno kosa ny Kompima taorian’izay, hisian’ny fifaninanana malalaka, nefa tsy narahina fampiharana raha tsy vao tamin’ny zoma heriny teo. Noravan’ny kaominina tampoka indray anefa io fomba io tamin’ny 25 jona teo ary narahina fampiasana polisy herisetra tamin’ny mpiasan’ny Kompima mihitsy ny fampiharana azy ny andron’ny 26 jona ka nitarika ny tsy fiasan’io kaoperativa io hatramin’ny sabotsy teo.

Mitaky mangarahara

Fananan’olon-tsotra ny fiara ampiasaina amin’ity zotra ity, hoy ny ao amin’ny Kompima, ka tokony hahamasi-mandidy ny tompony ! Tsy mionona amin’ny fitantanana ny fotodrafitrasa eo Ampasampito intsony anefa, hoy ny mpikambana, ny kaominina amin’izao fotoana izao fa miditra amin’ny fandrindrana ny fomba fitadiavam-bolan’ny kaoperativa mihitsy ka tsy mampisy ny fifaninanana malalaka eo amin’ny samy tsy miankina. Betsaka ny tranga toa misy ambadika amin’izao raharaha izao, hoy ny mpandeha izay efa manomboka tsy faly satria manohintohina ny fahalalahany izao ataon’ny tomponandraikitry ny kaominina izao ka itakiany fanaraha-maso akaiky.

Niverina niasa ihany nanomboka tamin’ny sabotsy teo ny Kompima mandra-piandry ny fanapahan-kevitry ny minisitera mpiahy sy ny Attr (Agence de transport terrestre) nitondrany ny raharaha. Toa rava rahateo ho azy moramora tao ihany koa moa ny « 2 sy 1 » nampifanolana ka andrasana ny ho tohiny.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com
Fleur d'école
juin 2008   juillet 2008   août 2008
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 558  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360