Voudrais partager ceci car ça m’a détendu de rire, dans le mélo actuel. J’espère que qq’un pourrait le traduire pour rom1.
Excusez le copier/coller de ce post d’un forum.
Question Pour Un Champion : Lohaevitra dia Baomba Gasy
Par Bobel :
Date : ven 24 juillet 2009 00:24:49
1-Fa inona ilay oe baomba vita gasy ?
Zavatra tsy mbola nisy teto madagasikara hatramin’izay naha-tany ny tany. Harona sachet mainty + piles + telephone portable + circuit electronique (izay nampiana taty aoriana rehefa voakiana teto amin’ny forum)+ fingotra + scotch
2- Oviana no nitranga ny baomba ?
Andro vitsy taorinan’ny fiaraha-miasan’ny FATy sy ny Saodiana izay ao anatin’ireo tambajotran’ny mpampihorohoro
3- Iza no mahay ilay baomba ?
De asa loatra re fa ny andro voalohany nahitana izy io dia hain’ilay kaporaly (izay lasa expert ny anarany izao) amin’ny antsipirihiny ny momba io baomba io sy ny fanajanonana azy tsy hipoaka
4- Aiza ny fanamboarana azy ?
De mbola « miracle io mon ami » satria 12 ora taorian’ny fanafihana nitampiadiana narahina fampiratiana « baomba » dia fantatr’ilay kolonely ny isan’ny vokatra (22 amin’ny 3000 izay no hita hoy izy tsy nihambahamba) ary 24 ora taty aoriana dia fantatr’ilay OrganS tsy ampihambahambana ny anaran’ireo lazaina ho mpamokatra.
5-Taiza avy no nahatratrarana azy ?
Saika tobina miaramila sy zandary no akamaroan’ny nampiratiana azy ireo izay toerana tsy ahafahan’ny sivily mivezivezy akory ireo toeranaa ireo. Ny ankoatra ny tobimiaramila dia tamin’ireny toerana arovana miaramila FATy ireny no nahitana azy. Ny teny amin’ny station ViVa aza dia narovana tamin’ny roquette miaraka amin’ny miaramila mitambasy sy misarontava ilay olona nametraka azy. Indrisy, novonoina ireo mpiambina sao mintantara ny marina amin’ny hoe izy no nanatitra ilay harona mainty (porofo : tamin’ny tany ny diambala nahafaty azy ireo nefa dia ny lohany no nipotska raha ny sary naseho angazety izany hoe olona lavo amin’ny tany no niniana notifirina)
6-Manao ahoana ny tanjany ?
Raha nolazain’ny sasany ho baomba izy io dia nilaza i Ra-Koto-Nandra´-San-a fa hay tsipoapoaka filalao amin’ny 26 jiona indray izy ity.
7- Fahombiazan’ilay baomba ?
99% io baomba io dia tsy mety mipaoka fa miandry ilay kaporaly expert hi-desamorce azy. Tena mahomby kosa anefa izy io raha halaina sary sy haseo angazety sy fahita alavitra
8- Hataoran’ny olona ve izy io ?
Arakaraky ny hampirantiana azy isan’ndro isan’andro no vao maika tsy hinoan’ny olona azy satria ny porofo sy fitantarana aroson’ilay kolonely dia marivo tototra sy mirefarefa amin’ny tany. Hany ka lasa malaza ilay fiteny hoe « taitai-bombe na »
9- Hatahoran’ny FATy ve izy io ?
De asa loatra re na izany tokoa ilay oe enjehin’ny eritreritra fa raha teto Madagasikara (Antananarivo) no nolazaina fa nahitanana ’baomba’ dia i Ethiopie (Addis Abeba) no atahorana ka tsy nety handeha ho any fa nofoanana ny dia.
10- Raoviana indray no hahitana azy manaraka ?
Dia efa lasa tantara mitohy mpiseho isan’andro amin’ny filazambaovao (irony karazana serie irony) izy ity koa aza adino ny manaraka ny tohiny
« HO AVOTRA IHANY VE I BOBEL ? AZA ADINO NY MIVIDY NY KODITRA LAHARANA MANOKANA AVOAKAN’NY Edition Tsileondriaka »
TOHINY :
11- matetika ny baomba dia misy telephone miantso ny tomponandraikitra avy eo hoe « izahay Ra-XXX no nanao an’iny satria izao sns.......... »
Aoka tsy ho ataoko eto intsony ny tohiny fa rahampitso indray izao dia ho ampiasainy indray izay morse nolazaiko izay hoe mba asio message rehefa mametraka azy.
Re :
Azafady mba vakio sy diniho tsara ity resako ity..
Ny ny toro-hevtry ny tsotsoka nomena n’ny faty dia izay hampikorontana ny Firenena ary ny mampihorohoro ny Vahoaka sy ny mampihena ny fahafahana (mivory..).
Manomboka misondrotra ny hetsika..ary ny Vahoaka mihatezitra sy matahotra .
Hoy ianao , fa ireo vahiny koa toa matahotra ary indrindra manahy ny fananany sy ny tombotsoany..
Koa na mody any amin’ny taniny avy iza ireo na mijanona miaro ny harenany ary ny tsotsoka no maro..dia iny ary ny tetika sy paikan’ny tsotsoka :hilaza izy fa tsy mahatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny Foloalindahy malagasy dia hanapa-kevitra rizareo handefa « andian-tafika » tsotsoka rizareo aty M.kara hiaro ny "ressortissants-ny sy ny ny fananan’ireo.. !
Dia vita sy tanteraka ny tetika sy ny paika natao iverenan’ny tsotsoka... !
Ary , araky nolazaiko any ho any ,dia hametraka ny olona azony baikoina sy hanaiky hanantanteraka izay tiany hatao..eo amin’ny fitondrana ny Tany sy ny Firenena ,ton’ny taloha ny 2002 !!
Izany no mahamaika ny hanekena sy hanohanana ny « option militaire SADEC »,ary ny hahazon’ny tsotsoka hahantanteraka ny tetika nohomaniny no antony ny fitsivalanany nanohitra ny fahatongavan’ny miaramilan’ny SADEC talohan’ny 26 juin ,dia izao indray namorona korontana
voalohany izany korontana izany io « alibi » ho an’ireo naka ny fitondrana an-keriny ,
faharoa izany korontana izany « prétexte » ilain’ny tsotsoka mba ...hanantateran’izy ireo ny fandefasana miaramila hiaro ny tsotsoka miaina aty Amintsika.
24 juillet 2009 07:49:26
Mba nandeha nividy pizza i Cmd Charles :
Cmd Charles : Saika hividy pizza aho fa inona avy no misy ato aminareo
Gastro : La Bombe
Cmd Charles : an !!!!!!!! aiza ny basiko teo ? Tena tsy lasa intsony ity fa resolution par la force. Antsoy zala le bandy mahay midesamorce an’io « La Bombe » io a
Re- ven 24 juillet 2009 08:34:13
Nisy fandaharana tao @ TVM alina ka i Kly Ravalomanana no tao,de nanontaniana izy hoe mba hazavao tsara ny fandehan’ny alin’ny Asabotsy nifoha Alahady izay nisy ny fanafihana teny Viva,d nitantara teo ingahy rainy kelikely nijanona tampoka ary niteny izy hoe andraso kely mantsy an’ilay mpanontany fa very a,de nihomehy a ary mody nitsatsaingoka ilay namany satria tena very tokoa izy teo am-pitantarana,ny mety aminy d manao hatsikana satria izay mintsy no paoziny ary ny teny naverimberiny d ny hoe professionnel hono izy e
Re :
ven 24 juillet 2009 08:44:17
andao hiverenantsika kely fotsiny ireny teny amin’ny leader price ireny e, teny anie dia efa hita fa cinema e.
Niditra ireo roalahy nitondra fonosan’entana (fitantarany no averiko eto a dia asiako analyse kely ihany)
hitan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny LP dia nasaina najanona ilay entana, napetraka teo ambony latabatra.
Com : Fangah moa raha mitondra entana avy aty ivelany amin’ny magazay toy ireny dia eo ambony latabatra foana no apetraka mandra-pivoakan’ilay olona, amin’izay tao anatin’ilay sary tamin’ny video de surveillance tsy nisy akory fanomezana Jeton azy roalahy ireo ho fanamarinana ilay entana. Nefa ny tena rehefa mividy zavatra ao dia mahazo Jeton ara-dalàna ary misy case mifanaraka amin’iny no ametrahan’ny tompon’andraikitra ilay entana, fa tsy teo ambony latabatra foana kosa aloha e. Mahagaga an. dia ajanoko eo aloha fa misy hoeritreretina indray.
Ilay vao haingana teo moa ny zavatra tena nampihomehy dia ny lalana akaiky avy any ambohibao ho eny ambodivona dia any andohatapenaka !!!??? ary any ihany no misy fasika izay tsy hitan’izay fiara hafa nandalo teo alohandrizareo !!!???
Re : ven 24 juillet 2009 23:05:07
Tena mbola hitohy marina ny angano idiran’angano ry Bobel !!!!!!
Tany tuléar izany ny filazàna hoe tsy hiaka-databatra intsony hono ry zareo (rehefa tsy miakatra ve tsy hidina ?!) sady hanenjana hono ry marosahoana ! Dia samy mahita tokoa aloha fa efa navoaka ny grillage indray ny alika romotra !
Nefa aza mbola manoratra manohy tantara indray aloha fa sao dia miova indray ny teny baiko ka aleo andrasana izay filazan’ny boloky azy !
Asa izao na hiandry arrivage ry zareo na ataony ampy ireto 6000 efa voaisan’ilay kolonely io !!!!!!
Io ary ny an’i Bobel !!!!!
Date : ven 24 juillet 2009 23:36:32
Nisy nanoratra an’ity teto omaly :
Date : ven 24 juillet 2009 00:33:39
11- matetika ny baomba dia misy telephone miantso ny tomponandraikitra avy eo hoe « izahay Ra-XXX no nanao an’iny satria izao sns.......... »
Aoka tsy ho ataoko eto intsony ny tohiny fa rahampitso indray izao dia ho ampiasainy indray izay morse nolazaiko izay hoe mba asio message rehefa mametraka azy
Dia mba jereo anie ny voalaza ao amin’ny Midi ao mikasika ny baomba tao antanimena eeeeee !
« Mpitandro filaminana marobe no indray nidina tetsy Antanimena, tsy mifanalavitra loatraamin’ny CCA omaly tolakandro. Ny antony dia noho ny fahazoan’ireo antso fa hisy hametraka baomba eo amin’ny manodidina eo. « Ilay olona mihitsy no niantso ary nilaza izy fa eo andalam-pametrahana ireo baomba…... »
Mitovy tamin’ireo baomba tsy nisy circuits ka nihomehezan’ny teto amin’ny forum ka avy dia nasiana haingana nefa efa pingapinga ery nampiseho sary taminn’y fahitalavitra !!!!!!!!!!!!
Dia hoy aho(Manantena):Tsy aleo ve mihomehy mba tsy hitomany rehefa tsy misy azo atao ankoatra ny mivavaka ?