Madagascar Tribune | Olona roa no namoy ny ainy
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 19 juillet 2008
 

 > Malagasy

Hai-trano tetsy 67 Ha

Olona roa no namoy ny ainy

vendredi 2 mai 2008, par Penjy R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Ny alarobia maraina tokony ho tamin’ny 2 maraina no nidedaka ny afo. Tsy tafavoaka ny efitrano nisy azy ireto tovovavy 2 ary namoy ny ainy avy hatrany vokatry ny afo nananika ny efitrano nisy azy. Avotra soa aman-tsara kosa ny iray, na dia nahitana fahamaizana aza.

Io no nitranga tao amin’ny trano fisakafoanana iray etsy amin’ny 67 ha io alarobia maraina io. Vola Ar 200.000 mahery no lasa lavenona niampy ireo fitaovana maro be fampiasa amin’ny trano fisakafoanana sy ny fanaka tao an-trano. Nisy ihany koa ireo poketra maro be izay saika haondrana ny alarobia teo nefa io lasa lavenona io avokoa. Hita ny niavian’ny afo araka ny nambaran’ny mpiasa tao, izay toa nisy ninia nandoro tamin’ny lasantsy. Tsy nisy gaz tao, ary nanambara ireo nahita fa teo an-dalantsara no nanomboka nirehitra, ary nihazo haingana ny efitrano fandriana. Tara ihany ny fahatongavan’ny mpamonjy voina, ka tsy mahagaga raha tsy nisy tafarina ny entana rehetra sy namoizana aina tahaka izao ihany koa. Efa mandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanaovana ny fanadihadiana, ka ho hita eo ny tena marina momba ity hai-trano mahatsiravina ity.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP