Madagascar Tribune | Olona iray sisa velona tao anaty « minibus »
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 6 septembre 2008
 

 > Malagasy

Lozam-pifamoivoizana Lalam-pirenena faha-7

Olona iray sisa velona tao anaty « minibus »

vendredi 4 avril 2008, par Princia R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=
JPG - 78.9 ko
Isan’ireo naratra tamin’ny loza.

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no niseho tao Antsentsindranontaolo Ambohimandroso ny marainan’ny alakamisy 3 aprily tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any. Kamiao lehibe iray mitondra zava-pisotro mahamamo avy aty Antsirabe hiazo ny renivohitra no nifandona tamina « minibus » avy amin’ny koperativa FIFITSYmitondra mpiasan’na « chantier » avy any Tsiroanomandidy andeha hiasa hanao sekoly any Vangaindrano vohipeno. Potika tsy nisy azo noraisina ilay « minibus ». 15 ny olona tao anatiny miaraka tamin’ny mpamily. Olona iray sisa no mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly Ambatolampy, ny sisa kosa dia maty avokoa. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso dia ora 4 no namoahana ny faty tao amin’ilay fiara. Ho an’ilay Kamiao kosa dia naratra ilay mpamily ka mandray ny fitsaboana sahaza azy ao Ambatolampy.

Tonga nijery mivantana ny zava-misy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta niaraka amin’ny solotenan’ny minisitra vitsivitsy, ary ny avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra notarihin’ny Lehiben’ny Faritra, nankahery ny fianakavian’ny maty. Nandray an-tànana ny fikarakarana ny razana ny fitondram-panjakana ary nanome lelavola 2 tapitrisa Ar.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    avril 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30        
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP