::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 17h11  :  18°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 30 mai 2012
 

 > Malagasy

Alatsinainy Bakaro

Olona 250 voapoizina

jeudi 8 janvier 2009, par Penjy R.

Fifaliana amin’ny fiaraha-misakafo no naleha, nefa aretina no azo. Marary mafy ny olona miisa 250 ao Alatsinainy Bakaro raha nihinana sakafo tao amin’ny FJKM Anjozoro ny alahady atoandro lasa teo. Composé no sakafo fampidirana voalohany, ary vita io, dia naroso ny vary sy laoka, ka hena omby no nilaofana ny vary. Taorian’io, dia ripaky ny aretina ny iray trano.

Nifamonjena ny toeram-pitsaboana, saingy tsy naharaka izany ny mpitsabo tany an-toerana. Nandoa sy nivalana ny iray trano. Tsy naharaka ny fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nanao antso avo taty an-dRenivohitra haingana ireo tompon’andraikitra any amin’io kaominina io, satria ambivitra ny ain’ireto vahoaka ireto. Tsy voafaritra mazava kosa anefa hatreto na nisy aina nafoy na tsia, fa efa nandefa mpitsabo any Alatsinainy Bakaro ny avy eo anivon’ny faritra Analamanga sy ny ny minisiteran’ny Fahasalamana namonjy haingana ireto olona ireto.

Ny fokontany Antevana sy Anjozoro no tena voa mafy amin’ity fihinanana sakafo niteraka aretina ity.

Mamely ny aretin’omby

Mandeha ny tombatomban’ny mponina any Alatsinainy Bakaro, fa mety ho aretina avy amin’ny omby no nahatonga izao fahavoazana izao. Niarahan’ny maro nahita ny fahavoazana tany amin’iny faritry Fianarantsoa iny. Raha ilay sakafo fampidirana, hoy ireo fianakavian’ny mponina tratry ny aretina, dia tsy nisy atahorana na ny atody nampiasaina na ny fahadiovana ihany koa. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitsabo, ka ho hita eo ny marina. Mbola miady amin’ny aretina avokoa ireo mponina 250 ireo amin’ny fotoana hanoratanay izao.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 273  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360