Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 00h00
 

Malagasy

Ny Sinoa eto Madagasikara

vendredi 18 avril 2008 |  1394 visites 


==========================
- Dikan-teny

Gaga tokoa angamba ianao, mahita lahatsoratra lehibe toy izao ao anaty gazety Malagasy, soratana amin’ny teny sinoa. Ivelan’ny raharaha makotroka any Tibet, dia natao izao lahatsoratra izao ampisehoana fa mihamaro hatrany ny fianakaviambe sinoa mamokatra eto Madagasikara. N’aiza na aiza tokoa tany alehan’izy ireo dia maneho firaisankina azo atao anatra sy lesona ho antsika izy ireo, raha tsy hiresaka afa tsy ny fanaovana « China Town » etsy sy eroa. Mety hisy va re indray andro any « Malagasy Town » ary amin’ny firenena hafa ? Sa noho ny havitsiana dia indraindray aza ny eto Madagasikara mbola voasaratsaraky ny zava-maro. Misy amin’izy ireo na teny anglisy, na teny malagasy, na teny frantsay aza tsy hainy, nefa toa voaray an-tànana sahady ny ho aviny.

Fitadiavana, fizahantany ve no mahazaka maniraka ? Raha izany tokoa mantsy, tsy tokony ho vaovao amintsika Malagasy izany. Raha tsy nisy ny magazay sinoa, toa mety mbola betsaka angamba ny Malagasy tsy nikiraro ; raha tsy nisy ny magazay sinoa, mbola mety an-kavitsiana angamba ny Malagasy manafatra entana any « Chine » amidy eto an-toerana. Izao tokoa angamba ilay tonga amin’ny fitenenana tsotsotra hoe « rehefa any an-tany lavitra dia mahay mifanampy sy mifanohana ».

Aiza ho aiza ny Gasy vao tonga (GVT) sy ireo efa ela nihetezana any an-dafy, raha tsy hiresaka afa-tsy ny firaisankina ?

Ny Karana sy ny Sinoa dia tokony hisintonantsika Malagasy lesona amin’ny fihariana sy ny fifanampiana amin’ny lafiny fandraharahana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024