Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 11h49
 

Malagasy

Fandraharahana

Nomena vahana ny TIKO

jeudi 14 février 2008 | Naivo kely

Gaga ny rehetra amin’izao fandalovan’ny filoha Zambianina eto Madagasikara izao, fa toa misy mizana mitanila amin’ny fitsidihana orin’asa izay ataony. Ny talata lasa teo, dia nitsidika ny seranan-tsambo tao Toamasina ity filoham-pirenena vahiny ity, ary isan’ny nentina nitsidika ny orinasa Tiko izy. Tsy misy maha-ratsy izany, satria manana anjara lehibe ny sehatra tahaka itony eo anivon’ny SADC. Ny mahagaga anefa dia mbola nentina nitsidika ny orinasa Tiko tany Antsirabe indray izy omaly alarobia. Fa angaha hoy ny maro tsy misy afa-tsy orinasa io irery eto ? Naninona raha mba nentina nitsidika orinasa mpanao savony etsy ankorondrano ohatra ity filohan’ny SADC ity, satria efa ho 40 taona no niorenan’io. Maro ny sehatra afaka notsidihany eto Madagasikara, na mpanao lamba sns, izay heverina fa afaka mifandrindran-dàlana tsara amin’ny tanjona izay kasain’ny fanjakana apetraka ankehitriny. Tsetsatsetsa tsy aritra no hilazana fa maha-kely risim-po ho an’ny mpandraharaha eto amintsika ny tahaka izao raha toa ka mizana mitanila no hiseho eto. Enga anie mba tsy ho izay no tena zava-misy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS