Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 4 mai 2024
Antananarivo | 20h12
 

Malagasy

Oniversiten’i Toamasina

Nirefotra ny grenady, fiara enina voatora-bato

vendredi 9 mai 2008 |  564 visites  | Nivo T. A.

Nanao fihetsiketsehana ny mpianatra tany any amin’ny Oniversiten’i Barikadimy-Toamasina, afak’omaly alina. Vokatry ny delestazy no nahatonga ireo mpianatra nitroatra. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana mantsy dia maty tanteraka ny jiro tao anatin’ny faritry ny Oniversite tamin’io alina io, efa miverimberina matetika moa izany fahatapahan-jiro izay miantraika mihitsy any amin’ny fonenan’ny mpianatra ka nitarika ny fahatezeran’izy ireo.

Nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany alina tany ho any no nanomboka ny fihetsiketsehan’ireo mpianatra. Nandoro kodiarana sy hazo teo afovoan’arabe, izay lalam-pirenena moa ireo mpianatra, ary tapaka nandra-pahatapitry ny fihetsiketsehana ny lalam-pirenena. Ireo fiara ninia nandeha (fiara madinika sy kamiao) dia voatora-bato avokoa. Araka ny fantatra dia teo amin’ny enina teo ho eo ny isan’ny fiara lasibatry ny tora-bato tamin’izany.

Nihoa-pefy tanteraka ireo mpianatra ka voatery nirotsaka an-tsehatra ny mpitandro filaminana avy amin’ny EMMO/REG izay nahitana zandary, polisy ary miaramila nandamina ny raharaha. Tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any no tonga tany an-toerana ireo mpitandro filaminana ary voatery nanao tifi-danitra sy nanapoaka grenady, miisa 10 teo ho eo nanaparitahana ireo mpianatra.
Nandritra ny ora roa teo ho eo moa no nandravan’ny mpitandro filaminana ity fihetsike-tsehan’ny mpianatra tany Barikadimy ity. Tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any moa vao nilamina tanteraka tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Amin’izao fotoana izao moa dia efa milamina ny any an-toerana. Eo an-danin’izay dia manao izay ho afany ny mpiasan’ny JIRAMA mba hamerenana amin’ny laoniny ny jiro any amin’ny faritry ny Oniversite sy ny manodidina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS