Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h28
 

Teny zato, kabary arivo

Niova taranja

mardi 4 mars 2008 | Naivo kely

Tendrom-po tsy mba namana. Fihetsika kely monja dia mampiova zavatra betsaka eo amin’ny fiainam-pirenena. Raha ny lalao baolina kitra saika atao tetsy Mahamasina ny alahady teo no asian-dresaka, dia hita fa niova taranja ny mpitia ity taranja iray ity. Mpitsara iray tsy afaka namita ny asany no indro namotehana zavatra maro, ary nanome endrika ratsy teo amin’ity taranja baolina kitra ity.

Raha ny lalao baolina lavalava no nokilasian’ny hafa ho baolina be herisetra, dia any amin’ny baolina kitra indray no nivadika io fomba fijery io. Ny taona lasa iny no tokony ho tonga teto Madagasikara ny mpilalao baolina lavalava avy atsy Afrika Atsimo, saingy tsy tonga tamin’ny ora farany ireo vahiny. Tsy nisy korontana na zavatra simba tamin’izay. Ny mifanohitra amin’io kosa no nitranga teny Mahamasina ny alahady lasa teo. Ny federasiona ve no tsy mahafehy ilay taranja, sa ny olona mihitsy no efa leo ny voafitaka lava ? Hanao ahoana indray ny mety ho fihetsiky ny mpitia baolina kitra raha sanatria ka resy eo ny Ajesaia ?

Hatreto dia lasa lalao atahorana ity taranja iray ity, satria ny fanarenana ny lesoka vita ny alahady teo, dia mbola sarotra. Lalao no hatrehana, kanefa fanimbana fananana no hita. Isika rehetra no indray manarina iny fahavoazana goavana nitranga ny alahady teo iny, mba tsy ho resy tondro-molotra eo anatrehan’ny firenena maro aty Afrika isika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS