Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 14h13
 

Malagasy

Fanafihan-jiolahy tany Ampanefena

Najifan’ny jiolahy ny lelavola 13 tapitrisa

jeudi 27 mars 2008 |  348 visites  | Nivo T. A.

Maizin-kitroka ny tanànan’Ampanefena, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Vokatr’izany dia mahazo vahana ny vaky trano. Saiky isan’andro no maharay fitarainana ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo dia mpanangona lavanila iray no nisy nanafika tao amin’ny tanànan’i Tanamandrivo. Tsy naheno na inona na inona ireo tompon-trano raha tsy efa nivoaka ny trano ireo jiolahy.

Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa hoe nanao fanafody nampatory ireo mpangalatra ka tsy re tsaika mihitsy. Nodidian’izy ireo ny varavaram-be ka nahafahan’izy ireo niditra an-keriny tao an-trano. Lelavola 13 tapitrisa Ariary no voaroban’ireo jiolahy tao amin’ity tokantrano ity. Ny nampahagaga tamin’ity vaky trano ity dia ny nahitan’ireo jiolahy ny toerana niafina izay nitehirizan’ny tompon-trano ny vola.

Nametraka fitarainana tany amin’ny ZP ny tompon-trano very vola. Nandeha ny fikarohana ka voasambotra ireo olona efatra voarohirohy tamin’ity halatra ity.
Taorian’ny famotorana azy ireo dia nentina tany amin’ny fampanoavana tany Vohémar izy efatra ireo ka naiditra am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS