Madagascar Tribune | Najifan’ny jiolahy ny lelavola 13 tapitrisa
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
lundi 12 mai 2008
 

 > Malagasy

Fanafihan-jiolahy tany Ampanefena

Najifan’ny jiolahy ny lelavola 13 tapitrisa

jeudi 27 mars 2008, par Nivo T. A.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Maizin-kitroka ny tanànan’Ampanefena, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Vokatr’izany dia mahazo vahana ny vaky trano. Saiky isan’andro no maharay fitarainana ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo dia mpanangona lavanila iray no nisy nanafika tao amin’ny tanànan’i Tanamandrivo. Tsy naheno na inona na inona ireo tompon-trano raha tsy efa nivoaka ny trano ireo jiolahy.

Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa hoe nanao fanafody nampatory ireo mpangalatra ka tsy re tsaika mihitsy. Nodidian’izy ireo ny varavaram-be ka nahafahan’izy ireo niditra an-keriny tao an-trano. Lelavola 13 tapitrisa Ariary no voaroban’ireo jiolahy tao amin’ity tokantrano ity. Ny nampahagaga tamin’ity vaky trano ity dia ny nahitan’ireo jiolahy ny toerana niafina izay nitehirizan’ny tompon-trano ny vola.

Nametraka fitarainana tany amin’ny ZP ny tompon-trano very vola. Nandeha ny fikarohana ka voasambotra ireo olona efatra voarohirohy tamin’ity halatra ity. Taorian’ny famotorana azy ireo dia nentina tany amin’ny fampanoavana tany Vohémar izy efatra ireo ka naiditra am-ponja mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  • ->http://mondialprox.com/

  •    mars 2008   
    L Ma Me J V S D
              1 2
    3 4 5 6 7 8 9
    10 11 12 13 14 15 16
    17 18 19 20 21 22 23
    24 25 26 27 28 29 30
    31            
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP