::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::   Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!  ::::
lundi 6 juillet 2009
 

 > Malagasy

Tonga i Andry Rajoelina

Nahazo tso-drano avy any ivelany

mardi 6 janvier 2009, par Penjy R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail

Tsy misy antony tsy hamahan’ny fanjakana ny fitakiana izay napetrakay. Io no nambaran’ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina manoloana ny fitakiana izay tsy maintsy hilam-baliny hatramin’ny 13 janoary ho avy izao.

Raha nigadona teto an-tanindrazana tokoa ny ben’ny tanàna, i Andry Rajoelina, dia nanambara fa nihaona tamin’ireo ankolafin’olona maro tany ivelany. Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny eto Madagasikara no anton’izany fihaonana izany. Ny rivotra azo tamin’izao fialantsasatra izao, ary ny tso-drano azo. Fantatra tokoa fa samy nitso-drano azy avokoa ny ankamaroan’ireo olona nihaona taminy tany Paris. Isan’ireo ny mpitondra teo aloha.

Ny asa tsy arahim-bavaka hono tsy mahomby, koa araky ny efa nambara teto, dia tsy maintsy atao ilay fotoam-bavaka lehibe etsy Ambohijatovo ny alahady tolan-kandro ho avy izao. Hiarahany amin’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka io.

Fantatra fa tsy hihemotra amin’ny fitakiana izay efa napetrany ingahy ben’ny tanàna, ary efa vonona ny hanohana azy avokoa ireo mpanara-dia azy.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail   
 
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


Publicité sur Madagascar-Tribune.com
Fleur d'école
décembre 2008   janvier 2009   février 2009
L Ma Me J V S D
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
 
Nouvelle Frontieres Vols

Visiteurs connectés : 517  


Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
Découvrez aussi : Xbox 360