Madagascar Tribune | Mivadika ambony ambany
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 19 juillet 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Mivadika ambony ambany

lundi 28 avril 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Fatra-paka tahaka isika fa tsy mahay manatanteraka. Io no hita raha mikasika ny fiainam-pirenena no jerena. Momba ny fiovan’ny Governemanta sy ireo olom-panjakana napetraka isaky ny faritra izany. Tao anatin’ny fitondrana nentin’ny filoha Ravalomanana izay, dia samy mahatsapa isika rehetra fa toa tsy marim-pototra firy ny toeran’ireny olona napetraka hampandeha ny faritra sy ny andrimpanjakana isan-karazany ireny. Tsaroan’ny rehetra fa nisy ministra iray volana monja tao amin’ny asam-panjakana, dia efa noesorina tamin’ny toerany.

Ny filoha Ravalomanana ihany koa raha nametraka ireo lehiben’ny faritra dia nanambara tamin’izay fa « ho tsapaina ao anatin’ny enim-bolana ianareo, ary rehefa tsy mahomby dia miala avy hatrany ». Nisy ny tsy nahomby, ary tao kosa ireo nahavita angaha, ka mbola tafajanona amin’ny toerana nametrahana azy.

Ny mpikambana ao anaty Governemanta, dia misy olona efa nanomboka tamin’ny 2000 ka hatramin’izao mbola mitazona ny toerana minisitra, na dia nafindra ministera matetika aza. Isan’io ny ministry ny fitantananam-bola Hajaniriana. Inona no antony ? Ny asa vitany angaha, hoy ny mpitazana, no tena mandroso matoa mbola tafajanona ? Ny tena mampalahelo, dia ny fandaniana eo amin’ny volam-panjakana nampiofanana ireny minisitra ireny tany ivelany. Tsaroan’ny rehetra io. Saingy aiza izy ireny ankehitriny ? Maka tahaka ny any ivelany matetika isika araky ny voalaza etsy aloha, misy firenena vahiny manova Governemanta matetika tahaka izao misy eto izao ve ? Rehefa tsy mahomby, hoy ny hafa, dia ovaina, saingy tafita ve ny fitohizan-draharaham-panjakana ho an’izay mandimby toerana ? Mivadika ambony ny raharaha, ka ho gaga ve isika raha miverina lava any afara ny asa nataon’ny teo aloha ? Ho hita eo amin’izao fiovan’ny Governemanta izao na ahomby indray ny mpandimby toerana na tsia.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    avril 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30        
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP