Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 12h06
 

Malagasy

Andrefan’Ambohijanahary : Ady tany

Misy manafina ny antontan-taratasy

jeudi 14 février 2008 | Hery A.

Tany efa nisy trano niorina tamin’ny 1952 mirefy 0 ara 75 ca no hiadiana eny amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao.

Nisy niantso an-tariby ny zanaky ny tompon’ity trano eo Andrefan’Ambohijanahary, ao ambadiky ny toby Ratsimandrava, nilaza fa misy mangataka eny anivon’ny fokontany ny tany iorenan’ity trano ity. Tonga teny ramatoa Rafaravololona Esther zanaky ny tompon-trano dia gaga raha nitondran’olona taratasy mangataka io taniny io. Tsy hita tamin’ny peta-drindrin’ny fokontany sy ny firaisana io taratasy io, hatramin’ny omaly nandalovanay teny an-toerana. Nomarihan’ny tompon-trano fa tanim-panjakana ity no nisy nangataka ka nanaovany fanohanana satria efa an-dàlana koa ny fangatahany, tamin’ny 1992. Ananany ny taratasy mahakasika izany miaraka amin’ny sari-tany. Amin’izao fotoana izao dia efa voapetraka baorina ny tany ary efa namidy ny ampahany ka nananganana trano vaovao. Ny raharaha anefa dia mbola eny anivon’ny fitsarana, mbola tsy nivoaka ny didy. Raha hiverenana ny taratasy fangatahan’ity olona efa nahalafo ny ampahan’ny tany dia tamin’ny faha 24 desambra no efa tokony natao peta-drindrina. Fangatahan’olona roa samihafa anefa ireto tokony ho peta-drindrina ireto ka ny iray tokony hipetraka tamin’ny faha 29 janoary. Mpiray tsikombakomba ihany izy roa ireo araka ny filazan’ny olona ka raha tsy azon’ny iray dia azon’ny ankilany Nezahinay nangatahana fanazavana ny mpangataka ny tany ka ny raharaha efa eny amin’ny fitsarana ihany no nambarany. Voatonotonona moa ny sefo fokontany teto. Nambaran’ireto tompon’ny tany fa niniana tsy natao ny peta-drindrina mba tsy ho hitan’ny mpanao fanohanana.

Raha zohiana indray ny tantara dia nambaran-dramatoa Esther fa zanaky ny mpanofa ity trano ity no mibodo azy ankehitriny. Marary saina anefa ny ramatoa misoratra amin’ny trano ka teo no nanomboka ny fanararaotana. Nampiasain’ity mpanofa ny anaran-dramatoa nanefany ny hetra ary io no nitazonany ny tanàna.

Nanatona ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany indray ny tompon-trano ka nambaran’ity farany fa tsy ao ny antontan-taratasy fa mbola mandeha any amin’ny fivondronana, izay mamoaka ny fangatahana ny tany . Tsy niandry peta-drindrina ity tompon-trano fa efa nametraka ny fanohanana indray ka nanaiky ho vavolombelona ireo fokonolona manodidina fa tsy azo angatahana intsony ny tany.

Efa namoaka taratasy koa anefa ny sefo fokontany manambara fa an’ilay ramatoa narary saina ny trano, kanjo nivadika indray ny rasa tato aoriana.
Hanatona ny Bianco ihany koa ny tompon-trano izay nihevitra fa misy kolikoly avo lenta ao ambadik’izao raharaha izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS