::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 17h11  :  18°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 30 mai 2012
 

 > Malagasy

Vakinankaratra

Misokatra Tanteraka amin’ny any ivelany

mardi 18 novembre 2008, par Princia R.

Mahomby ny haitarika raha ny faritra Vakinankaratra no ambara satria ny ambaratongam-pahefana rehetra dia samy maneho izay fahaiza-mitarika izay ary tsy mijanona fotsiny amin’ny asa fampandrosoana anatiny fa mitodika sy mivelatra amin’ny any ivelany. Porofon’izany ny ezaka ataon’ny Ben’ny tanàna an’Antsirabe Ambonivohitra torak’izany ihany koa ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra Randimbiharimanana Etienne ho an’ny faritra iraimanontolo. Rehefa avy namita iraka tany ivelany sy nitsidika firenena roa i Quebec ( Canada) sy Nanjing (Chine), ary voafidy ho mpikambana ao anivon’ny birao maharitry ny fikambanan’ny ben’ny tanànan’ireo firenena mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay « AIMF » (Association Internationale des Maires Francophones), ny Ben’ny tanàna Antsirabe I Olga Ramalason dia efa any Strasbourg indray izy ankehitriny miatrika ilay « Andro Eropeanina momban ’ny fampandrosoana ».Midika izany fa tsara ny fifandraisana any ivelany.

Firenena 4 hiara-hiasa amin’i Vakinankaratra,

Tsy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaomina ihany anefa no miezaka manatsara izany fifandraisana any ivelany izany fa ny eo amin’ny faritra mihitsy. Faritra 4 any ivelany ary izao no miara-miasa amin’i Vakinankaratra noho ny ezaka ataon’ny lehiben’ny faritra na dia vao haingana ihany aza izy no teo amin’ny toerana. Sehatra telo lehibe no voakasik’izao fiaraha-miasa izao ka ny sehatry ny fizahan-tany dia ny faritra Auvergne any Frantsa no mpiara-misalahy amin’i Vakinankaratra, ny lafiny serasera indray no hiarahana amin’ny Basse Normandie izay ahazoan’ny faritra ny radio ho an’ny fampandrosoana, ary firenena iray ao Afrika Atsimo sy Quebec no hifanampy amin’i Vakinankaratra amin’ny fampiroboroboana sy fampahafantarana ny « Label Vakinankaratra » eo amin’ny lafiny toekarem-pamokarana mitodika amin’ny tsena. Amin’izao fotoana izao dia efa any ivelany ny lehiben’ny faritra mamita iraka amin’izay fanatsarana ny fiaraha-miasa izay torak’izany ihany koa ny Ben’ny tanàna Antsirabe I.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 290  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360