Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 13 mai 2024
Antananarivo | 23h32
 

Malagasy

Làlam-pirenena faharoa

Mirotsaka an-tsehatra ny zandary

lundi 14 avril 2008 |  572 visites  | Nivo T. A.

Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izao dia nalaza ny fisian’ny fanakan-dàlana ataon’ireo olon-dratsy amin’ny làlam-pirenena faharoa, indrindra eo anelanelan’i Brickaville sy Moramanga.

Mba hamahana izany olana manelingelina ny filaminam-bahoaka izany, dia nanao dinik’asa tany Brickaville, ny faramparan’ny herinandro lasa teo ny zandary ao anatin’ny vondron-tobim-paritra Atsinanana, sy Alaotra-Mangoro, izay notarihan’ny kolonely Andriambahoaka sy ny kolonely Célestin Arnaud. Tapaka tamin’izany fa hisy ny hetsika manokana ataon’ny zandary amin’ny làlam-pirenena faharoa sy ny làlam-pirenena faha-11A, miala Brickaville mankany Vatomandry sy Mahanoro, mba hiarovana ny ain’ny mpandeha sy ny fananan’izy ireo izay mandeha taxi-brousse na fiara madinika mihazo ireo làlam-pirenena ireo.

Antenaina ao anatin’izao hetsika izao ny fahatratrarana ireo olon-dratsy mpanakan-dàlana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS