« Loza ho an’ny vahoaka ity aretin’omby ity. Mila mandray ny andraikiny hatrany ifotony ny fanjakana, satria ho ripaka eto ny Malagasy raha tsy voavonjy haingana io aretina io ». Io ny fifohazana tamin’ny torimasony nataon’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa « Pladdic ». Ny filohany Tolojanahary, dia nanamafy fa misy sehatra tsy mazava miainga any amin’ireo dokotera mpitsabo biby, ka tsy mahagaga raha efa eny ambony latabatry ny mpivarotra vao hita fa biby misy aretina io amidiny io.
Tsy vitan’ny filazan’ny fanjakana fa voafehy fotsiny ity aretina ity dia vita. Nahoana no mbola mitohy ny olona tratrin’ny aretin’omby ity. Hidina ifotony eny rehetra eny ny Pladdic hanentana ny vahoaka mba hitaky ny taratasy manamarina fa hena efa voatily no amidy eny an-tsena. Tsy vitany irery anefa izany, fa mila ny fiaraha-mientan’ny maro, indrindra fa ny fanjakana.