::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 17h11  :  18°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 30 mai 2012
 

 > Malagasy

Fanapariaham-pahefana

Mihetsika ireo kaominina any Fianarantsoa

jeudi 30 octobre 2008, par Njaka

Ambohipihaonan’ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny faritra Ambonin’i Matsiatra sy ireo faritra manodidina ny ao Fianarantsoa nanomboka ny alarobia teo. Manao varavarana misokatra eo anoloan’ny biraon’ny faritra ny fikambananan’ny kaominina antsoina hoe : Andohamatsiatra, ahitana ireo kaominina 14 manamorona ny renirano Matsiatra. Natao ho fampahafantarana ny asan’ny kaominina sy ny fikambanana no tanjona amin’izany. Tsy ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny fikambanana ihany fa hatramin’ireo fikambanana kaominina avy amin’ny faritra hafa koa. Toy ny fikambanana kaominina ao amin’ny faritr’i Horombe, hatrany amin’ny fikambanana Miarisoa any amin’ny faritr’Itasy, dia tonga tany Fianaranstoa avokoa.

Nanatrika ny fotoana tany an-toerana ny tale jeneralin’ny Fanapariahampahefana eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany, Guy Rivo Andrioanarisoa sy ireo talen’ny sampandraharaha misy ao aminy. Ilaina tokoa ny fikambanana kaominina toy izao mba hahamora ny asa fampandrosoana sy ny fahazoana fanampiana, hoy ny lahateniny. Ho avy ny vola fanampian’ny fanjakana ny kaominina amin’ny alalan’ny FDL na ny tahirim-bola ho fampandrosoana ifotony.

Fampidiran-ketra

Ny fampidiran-ketra no haingana indrindra amin’ny fahazoam-bolan’ny kaominina ka atao izay fanentanana rehetra ho an’ireo mponina ao aminy. Mba hamparisika azy ireo dia atao hita maso na azony tsapain-tanana ny vokatry ny fandoavan-ketra. Ohatra ny fanamboaran-dalana na fanatsarana atao amin’ny toerana izay fampiasan’ireo mpandoa hetra matetika. Tsy atao ho fampandehanan-draharahan’ny kaominina akory ny vola azo avy amin’ny hetra fa hanaovana asa fampandrosoana mivaingana, hoy ihany ny fanazavany teo anoloan’ireo ben’ny tanàna hatramin’ny 120 nanatrika ny fotoana. Toy ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’Andranovorivato, sy ny ben’ny tanànan’i Vohimarina samy ao anatin’ny fikambanana Andohamatsiatra, izay milaza fa ilaina tokoa ny fikambanan’ny kaominina tahaka izao mba hanatsarana ny fomba fiasa sy hifanakalozana fahaiza-manao.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

avril 2012   mai 2012
L Ma Me J V S D
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 288  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360