Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 22h56
 

Teny zato, kabary arivo

Mihaino vavaka ve Andriamanitra ?

lundi 12 janvier 2009 | Naivo kely

Tsy mijery ambony fa mijery ambany. Fomba fitenin’ny olona miantso tody io, ka ilazana fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha mahita ny miafina rehetra, satria mijery midina ety an-tany izy fa tsy mitraka mijery ny lanitra misy azy.
Vita indray iny ny fotoam-bavaka nambara fa hitondra am-bavaka ny firenena. Ireo hery avy any amin’ny fanoherana no nikarakara izany, na dia ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra aza no natao antoka fa nanomana izany. Ny fanohanana am-bavaka ny firenena no voalaza fa nahatonga ireo ankolafin-kery maro samy hafa hifanohana teny Mahamasina. “Ny fivavahana no lehibe indrindra, ary ankinina aminy ny zava-drehetra”, hoy ireo tsy te-handoto tena ao anatin’ny politika. Dia mba lasa ihany ny fisainana iny omaly iny. Nisy olona izay fata-daza eto amin’ny firenena dia ny maître Avoko izany, mba nangataka tamin’ny Malagasy rehetra ny hitondrana am-bavaka ny firenena isaky ny zoma amin’ny 8 ora alina. Roa minitra monja no mba nangatahany hitodiana amin’ilay Mpahary. Moa mba nandrenesana feo amin’izany ireto mpanao politika ireto ? Sa samy hafa ny Andriamanitra hivavahana, ka tsy nampiraika ny hafa ? Vao nihetsika anefa ingahy Andry Rajoelina, dia rakotry ny fanohanana avy amin’ny hery samy hafa ny fotoam-bavaka nataony. Toa mampitombina ny fijerin’ny maro ihany izay milaza, fa ambadika politika daholo izao hetsika rehetra izao. Fa nahoana raha hitsiana ny marina e ? Matoa mbola maro ny tsy tontosa tamin’ny vavaka izay natao teto, dia ao raha, hoy ny fomba fiteny. Ka mihaino vavaka ve Andriamanitra, sa isika zanak’olombelona no be siasia ? Aoka anefa tsy hitsara, fa mbola ho tsaraina, fa ny mahafinaritra, dia amin’ny fotoan-tsarotra toy izao, vao be no mahatsiaro miantso ny Anarany.

Mivavaha ho anay tompo o ! Amen.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS