::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 15h01  :  27°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 15 février 2012
 

 > Tsakotsako

Midika inona moa ?

lundi 20 octobre 2008, par RAW

Ho an’ny maro aloha dia mihetsika mafy i Marc Ravalomanana. Indrindra ho an’ireo nahafantatra fa efa hatramin’ny naha filoha azy dia nikendry izy fa tsy maintsy hampiantrano ny fivoriana an-tampon’ny Firaisambe Afrikana i Madagasikara. Tsy namelany tokoa. Ary izao aza dia resiny lahatra koa ny firenena miteny frantsay fa i Madagasikara dia afaka ary efa vonona hampiantrano ny fivoriamben’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Amin’ny taona 2010 io. Asa inona indray ny manaraka fa tena maha-te-hidera.

Ny fanirian’ny maro aloha dia mba tsy ho iray tapitrisa fotsiny, araka ny filazany, ny malagasy afaka amin’ny fahantrana fa izy valo ambin’ny folo tapitrisa mihitsy ; mba hanana trano manara-penitra, mba hisakafo ara-dalàna, mba hahazo fitsaboana sy fampianarana izay tiany ary afaka mifamezivezy mora foana manerana ny nosy. Hatreto aloha dia mbola nofinofy ireo.

Fa raha toa izany no finiavana sy fahavononana misy ao amin’ny filoha, inona moa no mahasakana azy tsy hampanankarena ny tsirairay amintsika ? satria mantsy ny zava-misy aloha dia toa misy ireo Malagasy miha mitsipozipozy, miha mahantra. Ao aza ireo mpandraharaha toa mivaro-pananana na mitsoaka any ivelany. Tsy hain’ny filoha ve ny mihazona azy ireny mba hampiroborobo ny tontolon’ny asa eto an-toerana ? Ny malaza hatramin’izao dia toa niha-tery sy tsy azo antoka hono ny fandraharahana maharitra nanomboka tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana.

Ny malaza koa dia toa ny orinasa goavana vahiny no mahazo laka. Ny mpandraharaha malagasy dia lasa mpiantoka asa fotsiny sisa, na « sous-traitant » raha te-hivelona.

Ho an’ny vahoaka mora narebireby tamin’ny fampielezan-kevitra moa dia tsy hita izay singana « 4L » hatramin’izay valo taona izay. Marina fa tsy hisy fanjakana hanatitra vary sy sakafo isan-tokantrano na hamahana, hampakatra ny sotro any am-bavan’ny tsirairay fa raha toa ny tanimbary sy tanimboly na kijana no baboin’ny orinasa goavana na mpanefoefo teratany dia ahoana no ahafahan’ny mponina sy mpamokatra miary ?

Tsara tokoa fa malaza izao i Madagasikara ary manana ny toerany araka izay itiavan’ny mpitondra azy. Voninahitra izany. Rehareha izany. Fa raha mbola mameno ny sisin’arabe ny mpivarotra amoron-dalana sy mpangataka ary mbola betsaka ny mpanao irakely, inona no dikany ireny ? Toa vola avy any ivelany hampitomboina eto Madagasikara fotsiny angamba.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

septembre 2008   octobre 2008   novembre 2008
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 506  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360