Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 14 mai 2024
Antananarivo | 12h57
 

Malagasy

Mampikony

Mbola noho « Ingahy Ivan » ihany !

lundi 31 mars 2008 |  507 visites 

Mitombo aoka izany ny saram-pandehanana ! Tsy dia ny saram-pitaterana loatra no voakasiky ny toe-javatra, amin’iny làlana mampitohy an’Ambondromamy amin’Antsiranana iny, fa ny vola lany mandra-pahatonga any mihitsy. Tapaka ny fifamoivoizana eo amin’ny tetezana Mahajamba, 30 km miala an’Ambondromamy. 3km miala eo, dia tsy azo andehanana koa ny tetezana Mahasoa. Soa ity farany fa efa ao am-panamboarana azy ny orinasa Sogea, ary raha mandeha tsara ny asa, dia mety ho vita ny alakamisy izao. Izy io moa dia efa mitongilana satria misy ratra eo amin’ny tolanam-bato faharoa.

  • Mifindra fiara

20.000 Ariary ny sarany miala an’Antananarivo hatreo Mahajamba. Miala ny mpandeha sy ny entana eto. Soa fa tsy mitsaka rano fa azo andehana an-tongotra ihany ny tetezana Miandry ery ampita ny fiara mizotra any amin’ny farany. Na io Antsiranana, na io Antsohihy, Bealanana… Raha ho any Antsiranana, dia 40.000 Ariary indray miala eo, toy izay koa raha ho any Ambanja ; 25.000 kosa raha ho any Antsohihy. Indraindray, miandry adiny telo na efatra vao feno ny fiara. Mitombo ny vola lany amin’ny tsaingotsaingoka kely.

  • Soa fa hody ny dia…

« Izaho manokana izao dia efa nandany 2.500 isan’olona kanefa dimy mianaka izahay. Sakafo maraina fotsiny. Izany hoe vary sosoa sy ny laoka miaraka aminy, ary kafe ho anay mivady ary dite ho azy telo mianadahy », hoy ity ramatoa iray hody any Antsohihy. Ankoatra izay, ny sakafo tsy maintsy tendrena mandritra ny làlana. Ny alakamisy maraina no miseho ny tantara. antoandro sy alina teny an-dàlana. Mandra-pahatonga any Antsohihy, dia tsy maintsy misakafo indray ny antoandro, izany hoe mbola vola hafa indray izany.

- Mandeha ny afera

Niainga ny alarobia teto Antananarivo ny fianakaviana iray, ary nisakafo teny an-dalana ny antoandro sy ny hariva. Tonga eo Mahajamba ny alakamisy maraina, dia nisakafo maraina indray.

Ny entana kosa, raha betsaka loatra, dia andoavana sara hafa, miampita ny tetezana. Toy ny 500 Ariary raha kesika dia mahatondra azy. Miakatra ho 6.000 Ariary kosa raha sarety. Etsy andaniny, tsy manaiky ny mpivarotra sakafo madinidinika. Ny tsinay tsy mba vatsy rahateo, ka dia mandeha tsara ny afera.

Sakafo maraina, vary sosoa sy ny ranomafana, 2.500 Ariary isan’olona. Raha hitsaingoka mangahazo kely, dia mandry ny 200 Ariary. Raha tsy izany, satria any no isan’ny tena itoerany, dia miainga amin’ny 500 Ariary ny trondro voaendy, hatramin’ny 3000 Ariary. Miankina amin’ny habeny izany. Mafana ihany koa andro, hany ka manararaotra kely ny mpivarotra rano. Na izany aza, hita fa mitandrina ny mpanjifa satria dia maloto dia maloto ny rano taorian’ny rivodoza iny. Mbola be dia be mantsy ny rano midina.

- Mitsinjo ny mpandeha

« Raha maizina no tonga eto amin’ny tetezana, dia tsy mahazo mihetsika ao anaty fiara izy raha tsy efa mazava tsara. » Mpamily fiara mampitohy an’Antananarivo sy Antsiranana andriamatoa Raymond. Tapa-bolana izy izao no tsy nahita ny vady aman-janany. « Tsy afaka mihoatra an’i Mahajamba ny fiara mandra-pahavita ny asa », hoy izy. Noho izany, dia anisan’ireo fiara mpandray ny mpandeha avy any Antananarivo izy. Lasa fiara roa mantsy ny mampitohy ny toerana roa, noho ny fahasimban’ny tetezana ao Mahajamba sy Mahasoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS