Madagascar Tribune | Mazava ny resaka
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
dimanche 18 mai 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Mazava ny resaka

vendredi 25 avril 2008, par Penjy R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Teny gasy ve miverina indroa ? Eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra no tiana ahatongavana eto. Nanome fe-potoana farany indray izany ny FIFA hatramin’ny faran’ny volana izao ahaizan’ny Madagasikara mandinika tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny nandrava ny federasiona Malagasy ny baolina kitra.

Mazava ny resaka nataon’ny ministra tompon’andraikitra fa handamina ny raharaha anatiny isika, ary hametraka ireo delegasiona manokana hitantanana ny raharaha ary hampanao fifidianana vaovao izay handrafitra ny federasiona ity taranja ity. Tsy nisy tsy niaiky ny maro fa latsaka tao anatin’ny kizo ny baolina kitra malagasy, ary mihemotra lava eo amin’ny filaharana maneran-tany. Io no mila hatsaraina, ary nahoana no hitsabahan’ny FIFA ny fandaminana ataontsika raha handamina ny raharaha anatiny isika ? Hevitra maro nifamahofaho teny ambavan’ny maro ny momba io, ary maro no nankasitraka. Nisy ihany koa ireo te-hijery baolina fotsiny izao na dia hita fa ho lavo fakan’ny mpifanandrina isa fotsiny aza isika. Hisy hievitra ve fa hiverina amin’ny heviny ny fanjakana manoloana ny fepetra izay noraisiny ? Ho hita eo, fa raha ny malaza aloha, dia toa ny teny gasy hono tsy miverina indroa.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    avril 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30        
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP