Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h46
 

Tsakotsako

Mazava loatra

jeudi 30 octobre 2008 | Volana R.

Mazavazava ratsy ihany aloha hatramin’izao ny fanantenana eo amin’ny Malagasy. Araka ny nambaran’ny mpitondra isan-tsokajiny, dia tsy dia hisy fiantraikany loatra aty amin’ny toekarena malagasy ilay krizy any amin’ny tany mandroso amin’izao fotoana izao. Hitondra ny tsara aza noho ny fidinan’ny vidin’ny solika maneran-tany. Saingy izao indray no mampanontany tena, tsy hisy fiantraikany aty amintsika koa izany io, raha izany no zohiana ?

Amin’ny saina tsy miangatra, nidina io vidin-tsolika io tany amin’ny volana septambra tany ho any. Dia nanaraka koa ny teto Madagasikara. Voalazan’ny talen’ny Fikarohana ara-toekarena sy statistika ao amin’ny OMH (Office malgache des Hydrocarbures) tao amin’ny fampielezampeom-pirenena, omaly, fa ny Sp 95 dia nilatsaka 1%, ary ny gasoil 3 %, ny datin’ny 25 septambra teo. Taoriana kely, nanaraka koa ny super essence, latsaka Ar 11 isaky ny litatra, ary ny essence tourisme Ar 5 isaky ny litatra. Tokony azo antenaina ny fidinany bebe kokoa atsy ho atsy, satria efa ho 50 % ny fidinany any amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mbola hilaza ny fijeriny ny OMH, afaka fotoana fohy.

Ankoatra izay, mbola io krizy ara-toekarena io ihany. Ankalazaina anio ny Andro iraisam-pirenena momba ny fizahantany. Sehatra tsy mbola matahotra ny rivotra mitsoka, araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny fizahantany eto Antananarivo. « Tsy ny mpitsangatsangana no ho voatampoka amin’ity toe-javatra ity, satria ny azy efa voahomana herintaona mialoha, fara fahakeliny, ny diany ho aty amintsika ». Koa inona indray moa no tadiavina mihoatra izany… Milamina izany ! Mazava loatra fa ry zareo mpandraharaha ihany izany sisa no toa milaza ho mijaly. Ny azy angamba tsy ho hita loatra ny fiantraikan’ny tsy fetezan’ny asany. Vahoaka tsy mandady harona anie no maro eto e…

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS