::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 15h01  :  27°C  :  Soleil et nuages épars
mercredi 15 février 2012
 

 > Tsakotsako

Mazava loatra

jeudi 30 octobre 2008, par Volana R.

Mazavazava ratsy ihany aloha hatramin’izao ny fanantenana eo amin’ny Malagasy. Araka ny nambaran’ny mpitondra isan-tsokajiny, dia tsy dia hisy fiantraikany loatra aty amin’ny toekarena malagasy ilay krizy any amin’ny tany mandroso amin’izao fotoana izao. Hitondra ny tsara aza noho ny fidinan’ny vidin’ny solika maneran-tany. Saingy izao indray no mampanontany tena, tsy hisy fiantraikany aty amintsika koa izany io, raha izany no zohiana ?

Amin’ny saina tsy miangatra, nidina io vidin-tsolika io tany amin’ny volana septambra tany ho any. Dia nanaraka koa ny teto Madagasikara. Voalazan’ny talen’ny Fikarohana ara-toekarena sy statistika ao amin’ny OMH (Office malgache des Hydrocarbures) tao amin’ny fampielezampeom-pirenena, omaly, fa ny Sp 95 dia nilatsaka 1%, ary ny gasoil 3 %, ny datin’ny 25 septambra teo. Taoriana kely, nanaraka koa ny super essence, latsaka Ar 11 isaky ny litatra, ary ny essence tourisme Ar 5 isaky ny litatra. Tokony azo antenaina ny fidinany bebe kokoa atsy ho atsy, satria efa ho 50 % ny fidinany any amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mbola hilaza ny fijeriny ny OMH, afaka fotoana fohy.

Ankoatra izay, mbola io krizy ara-toekarena io ihany. Ankalazaina anio ny Andro iraisam-pirenena momba ny fizahantany. Sehatra tsy mbola matahotra ny rivotra mitsoka, araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny fizahantany eto Antananarivo. « Tsy ny mpitsangatsangana no ho voatampoka amin’ity toe-javatra ity, satria ny azy efa voahomana herintaona mialoha, fara fahakeliny, ny diany ho aty amintsika ». Koa inona indray moa no tadiavina mihoatra izany… Milamina izany ! Mazava loatra fa ry zareo mpandraharaha ihany izany sisa no toa milaza ho mijaly. Ny azy angamba tsy ho hita loatra ny fiantraikan’ny tsy fetezan’ny asany. Vahoaka tsy mandady harona anie no maro eto e…

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

septembre 2008   octobre 2008   novembre 2008
L Ma Me J V S D
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 434  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360