Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 11h58
 

Malagasy

Ivandry

Maty voatifitra ny naman’i Dorick

mardi 25 mars 2008 |  497 visites  | Nivo T. A.

Mbola mafotaka amin’izao fotoana izao ny fikarohana an’i Dorick, ilay jiolahy nikoizana amin’ny fanafihana mitam-basy teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tamin’ny harivan’ny sabotsy lasa teo dia nanomana fanafihana tao amin’ny tokantrano iray teny Ivandry i Dorick sy ny namany miisa efatra eo ho eo, saingy nandamoka izany.

Araka ny vaovao azonay, dia fiara 4L mitovy loko aminn’y taxi no nitondra ireto jiolahy dimy. Nisy nahita nihaodihaody teny amin’ny manodidina ry zalahy ka nisy nampandre avy hatrany ny polisin’ny « brigade criminelle » sy ny GIR (Groupe d’Intervention Rapide). Tonga teny Ivandry, akaikin’ny siniben-drano ny polisin’ny BC sy ny GIR. Tamin’ny 4 ora sy sasany hariva teo ho eo no tonga teny an-toerana ireo jiolahy nandeha fiara 4L. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny polisy, raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany ka maty voatifitra ny jiolahy roa. Ny iray tamin’ireo moa dia tsy fantatra anarana fa ny iray kosa antsoina hoe Ramorasoa Mamy Hajarivo Paul Jocelyn. taratasy fanamarinana n y nahazoany fahafahana teny am-ponja niaraka tamin’ny kara-panondro no hita teny aminy. Vao avy nivoaka ny fonja mantsy ny lehilahy rehefa avy notanana teny nanomboka ny volana avrily 2006, noho ny raharaha « fitanana basy tsy ara-dalàna », halatra miharo herisetra, fikambanana andian-jiolahy. Mbola tavela teny aminy ihany koa ny basy pistolet MAKAROV iray sy vodi-na bala roa. Ireo bandy telo hafa ka anisan’izany i Dorick kosa dia tafaporitsaka niaraka tamin’ny fiara 4L izay nitondra azy ireo.

Mbola mitohy moa ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana an’i Dorick, tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritany ihany koa.
Efa matetitetika ihany izay hetsika nataon’ny mpitandro filaminana nisamborana azy izay saingy tafaporitsaka hatrany izy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS