Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 15h02
 

Malagasy

Tovovavy tsy nanaiky nadalain’ny ombiasa

Maty nilatsaham-potaka

vendredi 9 janvier 2009

Tovovavy mbola erotrerony, dimy ambin’ny folo taona i Baosolo, maty nilatsaham-potaka. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Kelimamoa, ambanivohitra tokony ho efatra ora miala ny tanànan’i Vohipeno, ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinagny, no nisehoan’izany ny talata 30 desambra lasa teo.

Araka ny fitantaran’ny olona tao an-tanàna dia nandeha nidina teny an-tsaha toy ny fanaony isan’andro ity ankizivavy ity. Teo an-tanimbary anefa izy dia nampiresahan’ity raim-pianakaviana efa lehibe iray. Tsy nety niresaka tamin’io olona io rakalakely araka ny fitantaran’ny reniny izay nanambaran’i Baosolo ny zavatra niseho taminy teny an-tsaha nandritra ny tontolon’ny andro. Nanatona tsimoramora ihany anefa ilay rangahy, izay fantatra sy ikoizan’ny eo an-tanàna amin’ny fanandroana, sy filalaovana fanafody gasy mahery vaika. Notantarainy an-dreniny tamin’izany ihany fa nanomboka nitsapa ny tratran’ilay ankizivavy vao mitsiry ity ombiasa. Nikiakiaka mafy izy noho izany no sady nanompa ilay mpanandro mafy. Saika hanolana mihitsy angamba ity rangahy ity raha tsy nalaky tonga ny anadahin’ity saramba kely, izay nanapa-bary tao ambadika tsy lavitra ihany. Niala ihany ilay ombiasy rehefa farany.

Nampitandremany izahay, hoy ity anadahin’i Baosolo. « Ho hitanareo tsara izany vavanareo sy ompanareo izany ! » Tsy fantatra na fifandrifian-javatra, fa ny alina nanaraka iny fifamaliana iny dia nirefotra mafy be, nipoapoaka izay tsy izy ny varatra tao Kelimamoa. Ny andro anefa tsara, tsy misy orana na rahona na kely aza. May kilan’ny varatra tao an-trano fonenan’i Baosolo ka nihorona mainty be toy ny saribao no niafarany. Ny reniny sy ny anadahiny may kely ihany ary nalefa haingana tany amin’ny hopitalin’i Vohipeno. Voavonjy soa aman-tsara izy. Mahatalanjona tokoa ny zavatra ohatra izao. Maro ny nanahy fa io rangahy ombiasa io mihitsy no nandatsaka ilay varatra. Raha manana fahefana ohatra izany ihany, tsy aleo izay hahatsara ny fiainana, hahazoana vokatra be amin’ny tany volena no atao, toy izay hifamotika samy olombelona.

France RAKOTOARISON

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS