Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 02h23
 

Malagasy

Canada

Marc Ravalomanana sy Malagasy monina any

jeudi 23 octobre 2008 |  2375 visites 
Fiara-niombom-bavaka tamin’ireo teratany Malagasy.

Ny Alahady tolakandro, 19 oktobra 2008, taorian’ny nahavitan’ny Fivoriambe an-tampony faha 12n’ireo tany mifampizara ny teny frantsay, tao Québec, dia niara-niombom-bavaka tamin’ireo teratany Malagasy monina any Canada (Québec, Montréal, Ottawa, sns) ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana mivady. Teo koa ny Masoivohon’i Madagasikara any Canada, Horace Constant, ny Masoivohontsika eo anivon’ny UNESCO, Irène Rabenoro. Tao amin’ny Fiangonana “Eglise Evangélique Luthérienne”, tao Québec city, no natao izany fotoam-pivavahana izany ary nisaorana an’Andriamanitra noho ny fitahiany tamin’ny asa rehetra nosahanina teo anivon’ny firenena. Ny Mpitandrina Razafy Razafindrakoto no nitondra ny fotoana ary nitondra ny Tenin’Andriamanitra ka nanazava ny hoe ”Aloavy ho an’i Kaisara izay an’I Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra” (Matio 22, 21).

Fihaonana nataon’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpiray tanindrazana tao Québec city

Taorian’ny fotoam-pivavahana dia nisy ny fihaonana nataon’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpiray tanindrazana ireo tao Québec city ihany, ka nitondra ny tenin’ireto farany ny Filohan’ny fikambanan’ny Malagasy any Canada “Gasy Miray”, Victor Rakotoniaina, nisaotra sy niarahaba manokana ny Filoham-pirenena noho ny ezeaka ataon’ny Fitondrana ka re laza hatrany ivelany. Hafatra fohy kosa no nataon’ny Filoham-pirenena, Marc Ravalomanana, dia ny fametrahana an’i Madagasikara eo amin’ny toerana sahaza azy eo anivon’ny firaisambe-pirenena ka ananany laza tsara ankehitriny. Nanainga ny Malagasy monina any ivelan’ny tanindrazana izy hiasa ho an’ny tombontsoan’i Madagasikara ka hanandratra avo ireo ezaka rehetra ialana amin’ny fahantrana. Nisy avy eo ny fametrahan’ireo Malagasy fanontaniana tamin’ny Filoha Malagasy momba ny raharaham-pirenena. Naseho teo koa ireo mpianatra valo Malagasy nalefan’ny Filohan’ny Repoblika handranto fianarana any amin’ny sekoly ambony any Canada, avy tao amin’ny INSCAE sy sekoly hafa.

Nosalorana mari-boninahitra “Officier de l’Ordre national” ny Masoivoho Horace Constant, nandritra ity fihaonana ity. “Chevalier” kosa ho an’ny mpiasa iray ao amin’ny Masoivohontsika ao Ottawa, Rtoa Solojaona Dauphine.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS