Raha misy filoha lany hitantana firenena iray dia adidiny ny manao zavatra ho fampandrosoana izany firenena izany sy hiadanan’ny vahoaka ao aminy.
Samy nanao izay ho afany daholo izay rehetra nifandimby teto Gasikara :
1°-ny frantsay nanao làlana sy tonelina
ary zavatra maro hafa toy ireny tranom- panjakana,sekoly,tetezana,hôpitaly,tsena,zaridaina....
2°-i Tsiranana nanao latsadatsak’izay
3°-i Ratsiraka mbola latsaka
3°- ary farany teo i Ravalo, mbola latsaka lavitra noho ny nataon’ireo frantsay mpanjanatany.
Midika ve izany fa tsy tia tanindrazana ireo mpitondra malagasy nifanesy taty aorian’ny fahaleovantena ? Dia marina ve fa i Lafrantsa no tena tia an’i Madagasikara sy ny Malagasy ?
Izany no ilazanay fa misy ny adidy tsy maintsy iandraiketan’izay mijoro te-hitondra ny firenena.Saingy tsy ampy izay hitsarana ny fitondrany.Satria raha tsy mahatsapa ho miadana ny olona entiny dia mitarika sahotaka izany ka mety hiafara @ tsy fitiavana azy.Na ny fanonganana azy mihitsy aza.
Niongana ny fanjanahantany, i Tsiranana, i Ratsiraka ary farany teo i Ravalo.
Ka raha misy ny milaza fa tsy tokony naongana i Ravalo noho izy nanao làlana sy nametraka ny faritra « tsy mahazaka tena » dia hoy izahay hoe naninona ary izany tsy natao koa t@ i Tsiranana na i Ratsiraka.
Noho izany dia tsy mitombina aminay ny fiziriziriana hamerina io filoha « auto-proclamé » sady efa naloam-bahoaka io. Ny fampidirana ny tafika afrikana SADC aty dia mitory ny fahambanian-tsain- dravalo.Satria hitarika ady eto Madagasikara izany ka hitombo be ny isan’ny maty sy maratra izay tsy iza fa tsy maintsy ny zanak’ity Nosy ity ihany.
Ny irakiana aza izao manenin-dratsy nampiditra ny tafika amerikana tany an- taniny ka isika indray no hanao izany. Dia izany ve no mbola mendrika hantsoina hoe « môsié lé prézidà » ?
Dia ataovy ao Tana ihany raha izany fa tsy mila ny maimbon’olona izahay aty Farady.