Andriamatoa filoha hajaina isany,
Miarahaba anareo manokana aho ary misaotra anareo noho ny fomba namahanareo ny olana izay nangeja ny firenena tato anatin’ity tapany voalohan ny taona ity.
Noho ny fahatsapanareo fa raha nohenjanina foana ny tady nandritra iny krizy iny dia tena niditra an-katerena ny vahoaka, no nanosika anareo hamela ny tendrom-po tsy mba namana sy hiroso hifandinika hitadiavana vaha-olana.
Fanetren-tena lehibe no nasehonareo ary betsaka ny lesona azo tsoahana amin’izay fanekenareo hiady hevitra sy hitady vaha olana izay na dia teo aza ireny krizy teo aminareo sy ireo mpiandany aminareo tsirairay avy ireny.
Tsy mora ny manao zavatra ary tsy ary ho hay daholo ny zava-drehetra, fomban-javatra ihany ny fisian ny korontana sy ny savorovoro ao anatin ny fitantanana ny raharaham-pirenena satria mitady izay hahasoa ny fiainany daholo ny olom-pirenena tsirairay.
Nisy ny zavatra vita nandritra izay repoblika 3 izay. Tsy iverenako eto intsony ny ideologie sy ny lamina izay napetraka mba hiatrehana izao tontolo izao sy ny lamina izay napetraka mba hanatsarana ny fiainan ny vahoaka malagasy « mba tsy ho mena-mitahy amin ny any ivelany ».
Nisy ny tanjona tratra, tao ny fahavitana foto-drafitr’asa, tao ny famokarana harena, ary tao indrindra indrindra ny famokarana olom-pirenena vanona, afaka mifanerasera amin ny olona rehetra maneran-tany ary olom-pirenena afaka mijoro hoe MALAGASY.
Tao koa anefa ny tanjona tsy tratra sy ny lesoka. Mbola tarazo iainan ny firenena hatramin’izao ny disadisa eo amin ny samy malagasy noho ny tantara izay tsy lavorary hoan ny be sy ny maro, noho ny faha samihafana izay tsy tena nahazo lanja tsara fa toa lasa zary fitaovana nentina hifandrafesana aza indraindray. Eo ihany koa ny tsy fisian ny fivoarana mirindra isam-paritra (inégalités économiques et sociales entre les différentes régions), ary eo ny fisian ny inégalités économiques et sociales fotsiny ihany (inégalités économiques tout court).
Matetika amintsika Malagasy dia ny ratsy foana no arangaranga fa ny tsara sy ny nanamarika ODIANA TSY HITA SY AFENINA.
Koa ireto andriamatoa Filoha isany no fotokevitra TSARA notazomiko tamin ny fitantananareo ny firenena sy ny fomba nitaizanareo ny vahoaka malagasy :
1- Fitiavan-tanindrazana
2- Fihavanana (izay azoko amin ny hoe firalahiana sy fitsinjovana ny hafa)
3- Fahaizana mandefitra sy mihaino ny hafa
4- Tsy fanilikilihina ny hafa
5- Fikaonan-doha miaraka (concertation).
Ireto kosa no zavatra hitako fa tokony hodinihina sy hataon ireo tanora zandriny izay handimby anareo :
1- Fanomezana lanja ny Olom-pirenena tsirairay amin ny maha izy azy
2- Fanomezana « chances » mitovy hahafahan ny zaza Malagasy « tsy an-kanavaka » (fantatrareo ankehitriny ny atao hoe Malagasy ho ahy amin’ity taon-jato faha 21 ity) hihoitra sy hiaina tanteraka ny fiainany (plein épanouissement, estime de soi, compétences, traitement égalitaire)
3- Fahasamihafana ao anatin ny firalahiana tanteraka, ary amim-pahazavam-po.
4- Fifaneraserana sy fifanakalozana MAZAVA eo amin ny Malagasy manerana ny Nosy.
5- Fanabeazana haha-olom-banona ary fampianarana avo lenta.
6- Fivoarana (développement économique, social) izay miainga amin ny société de consommation kanefa mitsinjo ny zandry ao afara sy ny tontolo iainana (developpement durable).
6- Ary indrindra indrindra fanajana ny mpiray tanindrazana aminy sy fifanomezan-tanana.
Be dia be ny foto-kevitra izay entin ny fanatontoloana izay hanitsy ny soa-toavin-tsika tsy mifanaraka amin’izany soa toavin ny fanatontoloana izany, ary hisy ihany koa ny soa-toavin-tsika izay halain’izany fanatontoloana izany mba hampanakarena ny tany hafa.
Toe-javatra tsy azon-tsika ialana izany, ary tsy maintsy haintsika ny mijoro amin ny maha izy antsika kanefa mila mahay mandray ny tsara avy amin ny hafa ihany koa.
Nanao izay tratry ny herinareo ianareo hanasoavana ny firenena araka ny fomba fijerinareo,
Nanao ny ainareo tsy ho zavatra ianareo hikatsahana izay hahasoa ny firenena izay nentinareo.
Araka ny noteneniko tetsy ambony, misy ny tomombana ary nisy ny tsy tomombana, fomban-javatra izany.
Koa amin ny maha olom-pirenena tsotra ahy izay novokarin ny fitaizana nomenareo, dia maneho etoana ny fisaorana sy ny fankasitrahana anareo aho ary mirary anareo ny soa hatrany.
Araraotiko ihany koa ny misaotra ireo « ray aman dreny » Malagasy rehetra tsy an-kanavaka izay iray « promotion » amin ireo mpitondra telo mirahalahy zokiny izay niara nitoto nahamasaka tamin’izy ireo ny Repoblika telo voalohany.
Hoan ireo izay handray ny fitantanana, hitanareo fa any aoriana any, tsy maintsy hisy ihany koa ny évaluation hataon ny taranaka ho anareo, hitanareo fa betsaka ny défis izay miandry antsika vahoaka, antsika vahoaka hoy aho satria fantatrareo tsara fa ny tena fahefana dia an ny vahoaka 20 millions fa solon-tena sy mpandrindra asa fotsiny ihany ianareo ary hiverina ao anatin’ireo vahoaka ireo daholo rehefa vita ny mandat - nareo, KOA OMEO IZAY TSARA ANY AMINAREO HANASOAVANA NY FIRENENA.
Telo no sehatra fototra hahafahanareo manome izany tsara avy any aminareo izany :
1- Ny fandraharahana
2- Ny asa eny anivon ny Andrim-panjakana
3- Ny fandraisana anjara amin ny fiainam-pirenena eny anivon’ny Société Civile.
Koa dia ombay mahereza isika mianakavy.
Mirary soa hoan ny Malagasy mpiray tanindrazana tsy vakivolo.
Ho ela velona anie ny terak’i Madagasikara tsy vaky volo.
Ho ela velona i Madagasikara.
mg slalom