Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 18h28
 

Malagasy

Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo

« Manomboka mahazo aina ireo kambana miraikitra »

mardi 8 juillet 2008 |  1119 visites  | Herimanda R.

Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ireo mpitsabon’i Hjra (Hopitaly Ravoahangy) etsy Ampefiloha (Antananarivo) amin’ny fikarakarana an’i Mahalatsa sy Mahagaga, kambana miraikitra. « Tafakatra 3,320 kg ny lanjan’izy ireo raha toa ka 2,800 kg monja izany tamin’ny fotoana nahatongavany teto amin’ny hopitaly » hoy ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo, lehiben’ny Sampan-draharaha miandraikitra ny fandidiana ny zaza eo anivon’ ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona tamin’ny resaka nifanaovana taminy omaly.

« Rehefa tena matanjaka tsara izy ireo vao heverina ny hanantanterahana ny fandidiana azy. Sarotra amiko ny hanome daty mazava. Mety ho afaka herintaona any izany. Fa dia miankina indrindra indrindra amin’ny fivoaran’ny toe-pahasalamany » hoy ny fanampim-panazavana azo avy aminy.

Hatramin’izao aloha dia salama tsara izy mirahalahy kambana ireto raha ny vaovao azo avy amin’ny toeram-pitsaboana azy. Mitohy tsy tapaka isan’andro ny fanaraha-maso ny toe-pahasalamany.

I Mahalatsa sy Mahagaga dia zaza kambana miraikitra eo amin’ny kibony sy ambonimbonin’ny kibony.

Ny 16 jona lasa teo no teraka tany Andavambaza, Kaomininan’i Behara, Distrika Amboasary - Atsimo, Faritra Anosy izy ireo. Ny zoma 27 jona teo no tonga tetsy amin’ny hopitaly Ravoahangy ireto zaza kambana miaraka amin’ny fianakaviany.

Ny minisiteran’ny Fahasalamana no miantoka tanteraka ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tànana azy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS