Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 6 mai 2024
Antananarivo | 16h54
 

Malagasy

Tarika « Feo Dimy »

Mankalaza ny faha-25 taona nihirana

vendredi 30 mai 2008 |  402 visites  | Nivo T. A.

1983-2008 : Feno 25 taona nanandratana ny hita evanjelika ny tarika « Feo Dimy ». hetsika maro no hanaramarihan’izy ireo izany jobily izany, izay hosokafana ao amin’ny FJKM Amparibe-Famonjena, amin’ny Alahady ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.

Araka y nambaran’ny pasitera Rahaingonjanahary Rodolphe, izay filohan’ny tarika dia hanamarika izao fankalazana ny faha-25 taona izao ny famoahana CD Audio izay hanasongadinana ny « Negro Spirituals » sy « Gospel songs », izay sambany no hisy teny malagasy.

Ankoatr’izay dia amin’ity taona ity ihany koa no hanovana ny tarika Feo Dimy ho fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG mba hahafahan’izy ireo miroso bebe kokoa amin’ny fanafahana ny olona, amin’ny alalan’ny fampifandraisana ny filazantsara sy ny lafiny sosialy ary fampandrosoana ekonomika. Tanjonan’ny « Feo Dimy » moa ny fizarana an’i Jesoa Kristy Mpanafaka ny ampahoriana sy ny mijaly amin’ny alalan’ny hira. Teny faneva nofinidin’izy ireo amin’izao jobily izao rahateo ny hoe : « Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahilo aho », Sal 22 /22.

Raha ny zava-bitan’ity tarika ity moa, araka ny nambaran’ny pasitera Rahaingonjanahary dia fampisehoana 200 teo ho eo, tany anivon’y faritany sy teto Antananarivo. Horonam-peo roa kosa no efa navoakany, tamin’ny taona 1990 sy 1998.

Amin’izao fankalazana ny faha-25 taona izao dia tanjon’ny « Feo Dimy » ny hamoaka CD, VCD ary DVD. Efa manana site web moa ny tarika (http://feodimy.cabanova.fr).

Hisy ihany koa ny famoahana boky sy fikarohana momba ny filazantsara sy ny kolontsaina. Mbola hanao fampisehoana mitety faritra ihany koa ny tarika hanampiana asa fanorenana fiangonana sy fampitaovana entina mitory ny Filazantsara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS