Madagascar Tribune | Manita-tsaina
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 19 juillet 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Manita-tsaina

jeudi 15 mai 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Tsy hita veroka hatramin’izao ny ho avin’ny fanatanjahan-tena Malagasy. Tsy mbola voapetraka izay olona hisahana azy io eto amintsika na dia efa tapa-bolana aza no nahatona tamin’ny toerany ny minisitra nisahana azy io teo aloha.

Tsy miandry izany anefa ireo mpikotrana eto amin’ny tanàna fa lasa manita-tsaina any an-kafa. Fantatra izao fa be mpitsiriritra ireto mpilalao Malagasy ireto, ary efa misy ny nahazo fifanarahana hilalao any ivelany. Toy ny entam-barotra izy ireo, ka misafidy ao amin’ilay klioba nilalaovany teo aloha ny vahiny. Tsy vidiana mora anefa fa amin’ny sandany lafo tokoa. Rehefa tsy hamokatra ve ny eto an-toerana tsy aleo mila ravin’ahitra any ivelany ? Ho reharehantsika tokoa ireto tanorantsika ireto atsy ho atsy. Ny firenena niaviany hanakoako any ivelany, ary ny vola hiditra ho an’ny mpilalao. Tsy midika izany fa hamokatra ho an’ny hafa isika, fa isan’ny tanjona ihany koa ny toa izao, satria rehefa tsy halaza eto an-toerana tsy aleo mba ho reharehan’ny vahiny ? Sa mamadika tanindrazana izany ?

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP