Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 08h32
 

Teny zato, kabary arivo

Mamokatra no vaha-olana

mercredi 22 octobre 2008 | Naivo kely

Ny fampiakarana avo roa heny ny fambolena no vaha-olana haingana ahafahana misoroka ny fahapotehan’ny toe-karena. Ho firenena afaka mivelona ara-dalana sy manondrana isika. Fepetra noraisin’ny fanjakana ankehitriny io hampiakarana avo roa heny ny fambolena eto Madagasikara io, indrindra fa ny vary.

Isan’ny nambaran’ny filoha Ravalomanana io tany ivelany, manoloana ny ho fisorohantsika ny krizy ara-bola maneran-tany. Mampahatsiahy tamin’ny andron’ny amiraly Ratsiraka fony repoblika faha-roa nanambara tamin’ny vahoaka isaky ny mikabary ny hoe mamokara, mamokara. Ny tany rahateo midadasika, ahafahana mampiakatra avo ny vokatra tokony ho volena. Ny indro kelin’ny mpandrafitra, dia ny fitaovana entina mampiakatra ny vokatra no olana. Io hiarahana mahita io ny fidangan’ny vidin-jezika. Ny masom-boly tsy lazaina intsony. Ny finihavana betsaka, fa ny ho enti-manana no tsy ampy. Eo no ilana ny hetsika ataon’ny fanjakana mba hanamorana ireny fitaovana isan-karazany ireny. Inona no sakana tsy ahavita izany ? Raha tena vonona ny hisoroka ny loza tsy ho tonga eto isika, dia omeo ny sehatra sahaza azy ny fambolena sy ny fiompiana eto, fa hiakatra ao anatin’ny fotoana fohy ny toe-karena Malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS