Madagascar Tribune | Mahay manao sarimihetsika ny fitondrana
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Malagasy

Pierre Tsiranana sy ny Governemanta

Mahay manao sarimihetsika ny fitondrana

samedi 3 mai 2008, par Penjy R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Tsy azo hitokisana ho afaka mampandroso haingana ny firenena ity Governemanta vaovao ity. Io indray no fisehoana ivelany nataon’ingahy Pierre Tsiranana. Toa tsy voadinika ifotony ny fanovàna, fa natao hanapotehina olona fotsiny.

Olona manampahaizana toan’i Radavidson Andriamparany ve no esorina amin’ny toerany ? Nahoana raha hita fa tsy nahavita azy hatrizay, raha navela hijanona ho depiote izy. Raha ny olona misolo ny toeran’ity ministra teo aloha ity, dia olona teo ambany fifehezany, saingy hita izany fa io indray no havanana amin’ny sehatry ny fanabeazana, ka dia nahilika ny teo aloha na dia vao enim-bolana monja aza no teo amin’io sehatra io. Mampalahelo ihany koa ny mahita fa nahatona tamin’ny toerany ny ministeran’ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina. Firenena izy eto ambonin’ny tany no hanilika sy hanao ambanin-javatra ireo sehatra roa ireo ? Hita fa manao sarimihetsika ny fitondrana, ary tsy ho azo antoka ny fampandrosoana raha hifamingana lava eto isika mianankavy, hoy ity mpanao politika ity.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP