Kely ny finoako.
Hoy ilay namana izay, 6 volana lasa izay : « hidina an-dàlàm-be izahay raha mbola misy ny malagasy mitsindroka sy mangataka ».
Dia tanteraka ny nolazainy, ary angamba tojo amin’izay niriany koa izy.
Tsy ho foana rahampitso anefa ny mpitsindroka sy ny mpangataka, ahoana tokoa moa ? Eny na hizizo hitondra fanjakana 15 taona aza ny HAT-TGV.
Eto dia miala tsiny @ i vuze : « Vous en avez rien à faire de tous ces gens qui souffrent de cette instabilité chronique et vous appelez à la déstabilisation. »
Marina anefa ny lazainao « instabillité chronique », saingy io izany ilay tonga @ ilay fitenenana hoe : efa nisy, dia misy, ary mbola hisy. Ka iza io « VOUS » lazainao « rien à faire » eto io ? Ireo taloha, ry zareo ankehitriny sa ireo mbola ho avy ?
Mazava ho azy, tsy hoe « Prenez votre courage à deux mains » fa hoe TSY MAINTSY « Prenez votre courage à deux mains ».
Raha ekenao ny fitsanganan’ny « forces du changement » izay ahitana karazan’olona sy ankolafin-kery nandray anjara t@ fanilihina an-dRa8, amiko koa tsy ratsy ny fijoroan’izy telo lahy mianaka manohitra izao fihetsik’i TGV izao.
Ny tanjona no tsy hitovizany, ny ankilany manomboka izao no mitondra fanjakana ka hatramin’ny 1er mandat IVe Rép, ny an’ny sasany kosa teteza-mita fanomanana @ fidirana @ IVe Rép (consensuel, etc . . .).
Ny IVe Rép no mila Programme de Société fa tsy ny tetezamita.
Saingy nisy (misy, hisy) tokoa ny namono ny voay ka izy ihany no hiravaka ny vanginy hono. COUP D’ETAT no anaran’izany, raha fifidianana no niadivana dia mbola hafahafa no fipetrany.
SAMY HO TAHIAN’ANDRIAMANITRA
QUI VIVRA VERRA