Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 23h07
 

Tsakotsako

Lesona ireny !

lundi 15 septembre 2008 | RAW

Tsy nanaratsy ny olon-kendry sy ireo raiaman-dreny avy aty amin’ny fiaraha-monim-pirenena fa nankasitraka ny fihetsiny i Andry Rajoelina. Nefa koa tsy nanao tsinontsinona ny raiaman-dreny sy zoky filoham-pirenena fa nihaino, nifandresy lahatra ary nijery izay tombontsoa iraisan’ny tanàna sy ny firenena izy. Ary raha ny fihainoana azy aza dia toa hita fa nanampy azy - na ho an’ny sasany - niaro azy mihitsy ny filoham-pirenena. Toa tena raiamandreny mpihaino sy mpitady vaha-olana sy zanaka mitaraina mihitsy no nihaona rehefa samy variana tamin’ny asa aman’andraikitra andavanandro tany. Toa izany no fandraisan’ny olon-tsotra ny fiafaran’ny resaka Kaomina Antananarivo Renivohitra sy ny fitondram-panjakana
Raha nihaino ny fandaharana « Invité du Zoma » an’i Onitiana Realy tao amin’ny TV Plus tamin’ny zoma lasa teo sy namaky ny gazety sasantsasany nitantara ny zava-miafina mialoha ny fihaonana tao Ambohitsorohitra ny zoma teo, dia tsapa fa misy fihavanana tandrovina sy kajian’ireo tompon’andraikitry ny tanàna sy ny firenena. Ary tsy very ny maha-malagasy raha izao.

Marina fa misy ny tsy fitoviam-pijery. Marina ihany koa fa samy may amin’ny maha-poritra azy saingy rehefa nifampihaino sy nifanazava dia toa nanome baiko mihitsy ny filoha Ravalomanana fa ireto sy ireto dia tsy maintsy tanterahan’ny mpitondra ao amin’ny governemanta ary apetraka eo ambanin’ny fahefan’ny Ben’ny tanàna. Na marimarina kokoa haverina ho tantaniny.

Raha ho an’ny sasany dia nihemotra ny fanjakana, ho an’ny sasany kosa dia narovana Antananarivo sy ny mpitondra ny tanàna. Arovana amin’ny inona ? Arovana amin’ny fandriky ny mpanao pôlitika. Misy tokoa mantsy ireo mpanao pôlitika, na avy amin’ny fitondrana TIM na avy amin’ny fanoherana isan-karazany, no miandry kendritohana fotsiny handrombahana fahefana ary hanitsahana ny safidim-bahoaka. Ao ireo maro nisafidy ny filoha ankehitriny ary ao koa ireo nisafidy ny Ben’ny tanàna ankehitriny. Samy mpandraharaha ireo ary samy maneho fahavononana ny amin’ny ho avy tsaratsara kokoa hatrany na ho an’ny tanàna na ho an’ny firenena.

Ho an’ny maro aloha dia fahendrena ny nasehon’ny filoha teo anatrehan’ity raharaha ity, nampiantso ny zandry zanaka, nihaona sy niresaka ihany koa tamina raiamandreny hafa vao nanapakevitra. Fahendrena koa ny an’i Andry Rajoelina tsy nanaratsy ny fitondrana fa niezaka nanazava ny fijery ary dia nivaha ny olana. Ny tena nahian’ny maro ary azo atao hoe nandrasan’ny sasany dia ny hirehetan’ny afo teo amin’ny roa tonta. Soa fa hendry Ramalagasy ary voakajy ny maha olomboafidy na ny Ben’ny tanàna, masi-mandidy eto amin’ny renivohitra, na izy na ny filoham-pirenena. Ny hevitra tokoa tsy azo tsy amin’ny olombelona !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS