Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 15h49
 

Malagasy

Ambinany-Vohémar

Lehilahy maty novonoin’ny fokonolona

mercredi 19 mars 2008 |  474 visites  | Nivo T. A.

Lehilahy iray indray no maty novonoin’ny fokonolona tany amin’ny fokontanin’Anjana, kominina Ambinany-Andravory, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Tamin’ny marainan’ny alahady lasa teo dia nanao herisetra sy nanendaka tovovavy roa avy any Ampanefena ity lehilahy ity. Tany amin’ny toerana mangina, 45 km miala ny renivohitry ny kaominina moa no nodarohany sy nodakany ireo tovovavy izay nikasa hanao vakansin’ny Paska tany amin’ny ray aman-dreniny tany Ambinany-Andravory.

Naratra mafy tokoa ireo tovovavy roa (18 sy 16 taona) ary torana tsy nahatsiaro tena vokatry ny vono nahazo azy ireo. Voatery naiditra hopitaly any Sambava moa izy roa vavy. Ilay lehilahy nahavanon-doza kosa tsy lasa lavitra akory dia tratry ny fokonolona ka nataon’izy ireo tsy tafavoaka velona. Nony niaiky ilay lehilahy fa namono ireo tovovavy roa dia novonoin’ny fokonolona.

Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia vatan-dehilahy teo amin’ny 200 teo ho eo no niara-namono ity lehilahy nampiasa herisetra ity ka nitarika ny fahafatesany mihitsy. Nahanton’ny fokonolona teo amin’ny tsangam-bato moa ny fatin’ilay lehilahy nandra-piandry ny zandary izay nanao fitsirihana ny razana.

Tsy ara-dalàna moa ny « fitsaram-bahoaka » tahaka izao na dia voaporofo aza fa namono olona ilay lehilahy. Anjaran’ny manam-pahefana mantsy no mamoaka ny sazy sahaza ireny olon-dratsy ireny. Na izany aza mandeha ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana mikasika ity raharaha ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS