Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 18h28
 

Malagasy

« Pont flottant » Tanambao Nosibe

Lasa toerana fihariana

samedi 15 mars 2008 | Gilbert R.
Fiara mpitatitra olona avy any Avaratra tsy afaka noho ny filentehan’ny tetezana.

Tsy ny rano intsony no misondrotra fa ny tetezana mitsingevana (pont flottant) no milentika. Izay no zava-mitranga ao Tanambao Nosibe,amin’ny làlam-pirenena faha 5, raha ny fahitana azy ny andron’ny alakamisy faha 13 martsa lasa teo.

Satria nisy ny manao ankasomparana, mangalatra na manao fanahy iniana manaisotra ny ampahany amin’ny sila maha tetezana mitsingevana ilay tetezana. Satria misy ny mihevitra fa ny fitohanana vokatr’izay trangan-javatra izay no mampidi-bola ho entina mihary. Satria mety ho fotoana kely sisa no ahafahana manararaotra ny fisian’io tetezana io noho ny teny nataon’ny filoham-pirenena, raha nandalo tamin’io toerana io ny tenany, taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza « Ivan », ka nilazany fa iny andro iny no farany nandehanana io tetezana mitsingevana io, fa ho soloina tetezana vato.

Ar. 3 000 hatramin’ny 4 000 ny manosika fiara

Ireo tanora miandry asa eo.

Izany rehetra izany no mety niteraka izao filentehan’ity tetezana ity izao, fa zary toa fitadiavan’ny mponina manodidina azy ny trangan-javatra.

Vola avokoa vao afaka miampita ny fiara : 3 000 Ar ka hatramin’ny 4 000 Ar ny manosika fiara salantsalany iray. Ny fiara madinika moa tsy azo atao ny mampiampita azy raha tiana tsy ho simba sy potika vokatry ny ahavon’ny rano misondrotra izay tsy maintsy ho tafiditra anaty fiara. Maro ny trano kely fivarotana zava-pisotro isan-karazany toa ny betsa, labiera, toaka, kafe sy dité miampy ny tsakitsaky isan-karazany, miorina tampoka etsy sy eroa. Mivoaka miandry karama eo amin’io toerana io ny ankamaroan’ny zatovo monina sy mipetraka eny manodidina eny.

Toa lasa toeram-pihariana ny fahasimban’ilay tetezana mitsingevana manapaka ny reniranon’Ifontsy ao Tanambao Nosibe ankehitriny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS