::::  Site web indépendant, sans attache avec le journal papier  ::::  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    ::::    Facebook    Twitter   ::::
Antananarivo | 19h28  :  23°C  :  Clair de lune et nuages épars
mercredi 15 février 2012
 

 > Teny zato, kabary arivo

Lapan’ny tsanga-tanana

mardi 13 janvier 2009, par Naivo kely

Hikaon-doha handinika lalàna indray ireo andrim-panjakana roa eto aminstika. Ny fanitsiana ny lalàm-panorenana sy ny fandaniana ny lalàna hifehy ny antoko politika no anton’izao fivoriana tsy ara-potoana izao.

Tsy dia misy zava-baovao andrasana amin’ny mety ho fiovan-kevitra ataon’ireo olom-boafidy mpanao lalàna ireo. Ny antony, dia tsy hita taratra intsony eny anivon’ireto andrim-panjakana ireto ny ady hevitra toy ny taloha. “Tsy kianjan’ny demokrasia intsony, hoy ny mpitazana fa lapan’ny tsangan-tanana”. Tsy misy izany hery an-kavia sy am-povoany izany fa toa mpanara-drenirano avokoa izy iray trano. Eny fa na ireo ambara ho tsy miankina aza, dia toa ny tahotry ny mety ho tratry ny ankivy no masaka ao an-doha raha vao raikitra ny fivoriana. Izany ve no tena demokrasia eto Madagasikara ? Dia ho lany 100% ireo lalàna atolotra eny anivon’ireo parlemanta roa eto amintsika ireo. Ho tsarain’ny tantara anefa izy ireo aoriana kely ao. Toa tsy mba olona afaka ny hiady hevitra ireo loholona sy depiote, fa olona natao hananga-tanana no betsaka. Tsy sanatria fanamaivanana ny fivoriana ataon’ireo andrim-panjakana roa ireo izao, fa ny fahatsapana ny zava-misy no mahatonga ny lahatsoratra hisosa toy izao.

Izao tokoa angaha no vokatry ny fanasaziana ny depiote izay miseho be vava toa an-dry Voninahitsy sy Zakahely, ka anatry ny aty afara ? Velontseto ny rehetra, raha mahita ny ady hevitra any amin’ireo firenena matanjaka any ivelany amin’ny fifandanjan’ny fandaniana lalàna toy izao. Misasaka araky ny fomba fiteny ny mandany sy ny tsy manaiky. Izany no atao hoe tena demokrasia.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF    Partager

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels

Un Top des prix tous les jours


La météo à Madagascar

 

Publicité sur Madagascar-Tribune.com

 

Fleur d'école

 

fr 2009-01-13 06:11:18
décembre 2008   janvier 2009
 
Le Petit Futé

 

  • Version pour Smartphone
  • m.madagascar-tribune.com

  • Version pour IPhone
  • iphone.madagascar-tribune.com

    Visiteurs connectés : 371  



    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar-Tribune.Com | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP
    Découvrez aussi : Xbox 360