Madagascar Tribune | Lany andro mifanome tsiny
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
jeudi 21 août 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Lany andro mifanome tsiny

mercredi 30 avril 2008, par Penjy R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Mora ny miteny fa ny manatanteraka azy no sarotra. Azo hitarafana ny trangam-piaraha-monina eto amin-tsika io. Toa tsy mahay maka lesona amin’ny zava-nisy teo aloha fa samy mihambo ho mahavita tena eo amin’ny sehatra tandrify azy. Hiroso amin’ny vaingan’asa nifanomezana ao anatin’ny MAP isika. Vonona ny fanjakana, ary manatsikafona ny mpanohitra. Nahilika naka zoron-trano izay tsy mitovy fomba fijery amin’ny mpitondra sao io no sakana amin’ny asa tsy maintsy atao. Nomena toerana ireo mpiara-dia tsy nivadi-belirano. Lasa izao, hoy ny mpitazana, satria feno ny fahefana rehetra.

Ankilany dia toy ny akoho kely latsaka ankady ny mpanohitra. Mian-tsoantso toa tsy misy maheno. Mivoaka ny hevitra amin’ny tokony hifanomezan-tànana haingana mba hiarahana manarina ny tanindrazana. Misy mandre ve izany ? Mipoitra ny fanakianana amin’ny lesoka diavin’ny mpitondra, saingy vitsy no manarina ny fahadisoana vitany. Be ny mihevi-tena ho tompon’ny fahamarinana.

Tsapa hatreto fa maro ny manana finihavana handray andraikitra, saingy ny fijery Politika no tsy iraisana. Lany andro mifanome tsiny isika, ary ny minitra iray dia vidiana lafo. Mbola izay foana ve no hiainana eto ? Isika rehetra no miara-misaina. Penjy R

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    avril 2008   
    L Ma Me J V S D
      1 2 3 4 5 6
    7 8 9 10 11 12 13
    14 15 16 17 18 19 20
    21 22 23 24 25 26 27
    28 29 30        
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP