Madagascar Tribune | Lany andro manova
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 19 juillet 2008
 

 > Teny zato, kabary arivo

Lany andro manova

samedi 3 mai 2008, par Naivo kely
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=

Isaky izay mahatsiahy dia manova. Io no hita ankehitriny, ary tsy hananan-kavana mihitsy fa izay tsy mitovy fomba fijery amin’ny filoha dia barakay avokoa.

Izay no nampiavaka ity fitondrana ity tamin’ireo mpitondra nifandimby teto. Na vao manomboka mametraka ny fomba fiasana aza ny ministra na lehiben’ny faritra, dia efa ny fanovàna no tonga mialoha. Sahirana ny rehetra, satria toa lany andro manova eto isika, ka ho tratra aoriana ny tena asa mivaingana andrasana amin’ny mpitondra nomena fahefana. Tonga dia vavany hoy ny filoham-pirenena, ary izay rahateo no andrasana fa tsy lany andro miandry baiko avy any ambony. Fahasahiana no tadiavin’ny rehetra, ary ny fidinana ifotony eny anivon’ny vahoaka no ahitana ny atiny maharary, fa tsy sanatria variana any anaty birao. Mazàna anefa rehefa mandray io andraikitra io ny ministra na olom-panjakana maro samihafa, dia voahaisotra amin’ny toerany avy hatrany, satria tsy nisy fiheràna tany ambony. Manova fomba fiasa ny fanjakana, ary andrasana ny vokatra haingana. Ny vahoaka koa etsy ankilany tsy tokony hiandry mahazo fa mandray andraikitra tandrify azy. Mino isika fa tsy hisy hanilihana andraikitra intsony ato ho ato, satria olona heverina fa manana ny fahaiza-manao ireo tafajanona amin’ny toerany, matoa voafidy tao anatin’ny maro.

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP