Ny vahaolana amin’ity crise ity dia ny fifanantonana ihany .
Efa tena maratra ny vahoaka malagasy indrindra fa ny ety andrenivohitra (tsy tana irery fa ny renivohitra rehetra) .
Misy ny tsy fitoviankevitra ary samy manana ny hevitra arovany ny tsirairay. Tsy ifanomezana tsiny izany fa samy manana izay takany ho marina sy tsy marina ny olona rehetra !
Efa tena maratra ny société civile : anaty guèrre civile isika. Soa moa fa tsy misy ny hoe sivily manana basy eto amintsika toy ny any USA ka @ izay dia tena hifamono @ basy toy ny otto sy totsi isika ( sanatria anie izany) . Any anatin’ny tissu social kely indrindra (couple io) dia misy ny division, ny mpiray tampo, ny ray amandreny sy zanaka,, ny mpiara miasa, ny vinanto sy rafozana, ny mpinamana hatry ny ela, sns ... ireny rehetra irent dia miteraka tension eo anivon’ny tontolo manodidina daholo. mbola ampian’ny crise économique izany tena mananontanona tanteraka atsy ho atsy satria efa be ny tsy an’asa amin’izao fotoana izao ary ny vidin’ny PP (vary sy menaka) dia tsy handava-taona ho 500 AR sy 12.500 fmg velively akory .
Ny secteur informel dia hiroborobe be tokoa satria be ny orinasa efa mikatona. izany rehetra izany dia signes de crise avokoa !
Noho izany ny solution voalohany dia ny fifanantonan’ny mpifanadrina ka mampiseho ny vahoaka entina fa miaraka mitady solution izy roa tonta hivoahana @ io crise io satria samy tompon’andraikitra daholo. Tsy ny hoe fanaratsiana ny teo aloha satria vao maika hirongatra tsy hanaiky ny vahoaka pro ravalo akory ny vahaolana satria .... tsy fantatra ny mety ho fiovan’ny toe-draharaha afaka herinandro na volana vitsivitsy ...
Ka raha tonga misy retour en force indray ravalo ka resy ny tgv dia hirongatra indray ny pro-tgv hamaly faty ...
NY hery roa atambatra ma ho tombotsoan’ny firenena no vahaolana. Hampodiana ravalomana ary miresaka amon’ny latabatra . Raha misy alahelon’nr tgv sy ireo mpiaradia aminy dia miteny izy ireo ary manaiky ny fahadisoany ravalo raha tena tandrify azy izany hadisoana izany ary koa manao compensation ho an’izy ireo ..
Dia toy izany koa ... raha misy hadisoana nataon’ny tgv t@ ravalo sy ireo mpiaradia aminy dia manao toy izany koa ....
mitady marimaritra iraisana izany ny hery mifanandrina rehetra : ny crn, ny tambatra , ny arema, ny mfm, ny tim, snsn...
ny fanehoanan’ny mpifanandrina fa tsy miady intsony izy ireo no vahaolana tsy hisian’ny guerre civile intsony . izany no atao hoe RECONCILIATION NATIONALE
Dia avy eo vao hatsangana ny gouvernement de consensus iarahan’ny izay te hiditra amin’izany gvt izany .
Dia avy eo , miatrika ny fanatsarana ny constitution sy code électoral ..
mbola ao anaty transition isika amin’io an : izany hoe jerena ifotony hoe inona no tena tsy nampadeha ilay système teo aloha, inona no ratsy tao ? inona no tsara ?
manao proposition avy eo ny lafinkery rehetra ny @ code electoral sy fanovana ny système constitutionnel !
Moa ve ny mandat iray par président no olana teto amintsika ?
Moa ve ny taonan’ny candidat présidentiel no olana ?
Izany no tokony fanontaniana mipetraka fa mahatonga ny fanovana eo @ constitution sy ny code électoral !
sao dia ny fanantontosan’ny vokampifidianana no tena olana goavana ? genre bulletin unique, PV tsy mitovy ? observateurs de l’élection ?????
dia avy eo mametraka ny rafitra idealy ho an’ny madagasikara ho an’ny 4ème republique !
Raha izaho manokana dia miandrandra ny rafitra toy izao aho :
justice indépendante izany hoe instutition à part tsy miankina @ pouvoir executif (gouvernement) mihitsy ny justice / tsy hisy intsony izany hoe ministeran’ny jutsice izany fa anatin’ny institution iray mitokana izy toy ny hcc ohatra ,
ny pouvoir legislatif (parlement et sénat) dia asiana tena discipline mazava ary indicateurs de contrôle hanarahan’ny vahoaka maso tanteraka ny asan’ireo élus ireo ! ny élus tsy manao ny asany anie no mahatonga ny fitakiana andalambe eh ! Maninona no tsy ampiasaina @ tokony ho izy ny tranompokonolona fa natao hijerena theatre fotsiny ..
izany no mba andrandraindra fa ampitaina @ mpanao politika rehetra izay tena te hampandroso an’i dago