Ny anay anie ry zareo tsy hoe fanohannana be fahatany ny hevitr’ireo HAT ireo fa kosa lojikan’ny lazaina hoe « alternative ».Tsy hoe tsangan’olona mifandimby @ fitondrana fa fanomezana laka « H.E.V.I.T.R.A » mba hifaninana na hifandanja eo à sehatra fanavotam-pirenena.
Nitondra teo ra8,niaraha-nahita, niarahana nitsara ary nikipaka hoazy teo rehefa hita fa tsy mendrika ilay fitokisana notakiany t@ maro an’isa.
Ny olana dia izao : toy ny teo alohany rehetra dia mitady « délibération spéciale » koa ingah ra8.
Natao izao fibebahana izao, natao izao fiampangana ny hafa ho tompon’antoka t@ tsy fahombiazana, natao izao fandrahonana sy fizahozahoana ary farany dia niafara t@ fampidirana fitaovam-piadiana sy mercenaires vahiny izay nandatsahana ràn’ny mpiray tanindrazana an-jatony.
Hoanay dia hoe tsy nahay nanararaotra ny seza volamena nitombenany i le8. Ny vahoaka anefa mitombo fijaliana hatrany. Tsy hoe azo antoka hanao tsaratsara noho ny teo aloha io vaovao io saingy tangena fantatra fangidy ilay taloha ka iotazy izay hafa any e.
Tsy mazava kosa ve izany e ? Sa mila tanisaina eto izay ngidy niainan’ny sasany ka nitarika ny fankahalana an’iny rangahy iny.
Tsy misy tombo sy hala io ho an’ny vahoaka.Na Tsiranana, na Deba, na Zafy na ra8.
N’ininna zavatra nataon’ ireo dia ref’ leon’ny « tangena » ny olona dia nivalona daholo ihany ireny.
I ratsiraka izao, raha toa ka tsy nikiry nilatsaka nofidiana fa nanolotra ny iray t@ ireo « dauphin » an’azy ireo, i Pierrot oh., dia minoa isika fa nijanona naharitra tampon’ny vahoaka ny fahatsiarovana azy @ maha olon-kendry azy ary mety ho nolovain-janaka aman-jafy aza. Jereo izato izy na ny fatin-kavany aza tsy hitany ny anitrihana azy.Eny fa na ny dian-tanany nokosehina tanteraka.
I ra8 koa torak’izany. Raha vao nihetsika ireo mpanohitra no nanao iny fiampangan-tena iny izy ka nita&rika ny olona hanao référendum dia mety ho lasa « Nelson Mandéla » gasy.
Toetrantsika Gasy angamba ilay matin-kambo ka mampivadika adala ny hendry ny atao hoe nomem pitondrana.
Koa avadika ilay sangisangin’ny namana tsy mahafoy etsy ambony hoe :
ny aloka no jamban’ny taolana fa ny gasy jamban’ny seza.