Olona iray no maty, iray hafa miady amin’ny fahafatesana ary ny iray farany kosa afaka tsy naninona. Io no vokatry ny firehetan’ny fiara iray 405 berline tany Ambano Antsirabe ny alin’ny alatsinainy 02 jona teo. Avy aty Antsirabe ity fiara ity ary olona telo lahy no tao anatiny. Rehefa tonga tany Ambano ; teo anoloan’ny tranon’ny kaominina iny indrindra ; dia nijanona ilay fiara nikasa hampidina lasantsy ; alina moa ny andro ka nampiasa labozia nitsilovana : teo indrindra no niseho ny loza satria nirehitra avy hatrany tamin’ny lelafo avy amin’ilay labozia ilay fiara.
Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ilay olona iray tsy maty. Mila mitandrina ihany amin’ny trangan-javatra toa izao satria tena tonga amin’ilay fitenenana hoe ny patsa iray tsy omby vava izy telolahy ireto.