Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo fa nodimandry ny 3 oktobra 2007 ny hava-malalanay :
Jean RAOSETA
Commandeur de l’Ordre National
Talen’ny Sekoly E.PRI.MA
Mpampianatra misotro ronono, sekoly Advantista
Mpiasan’ny JIRAMA misotro ronono
teo amin’ny faha-88 taonany
Hoy,
Ny vadiny :
RAKOTONDRAINIBE Yolande
Ny zanany :
RAOSETA Ronald sy Vololona
RAOSETA Eliane
RAOSETA Zara Fanomezana
Ny zafikeliny :
Hasiniaina, Tokiniaina, Bryan, Amandah
Ny iray tampo aminy :
Ny terak’Itpkl Raoseta Jacob, Mpitandrina
Ny iray tampo amin’ny vadiny :
Ny terak’Itpkl Rajaonarivony Honoré sy Itpkv Rasoamanandray
Rakotondrainibe Victorine sy ny terak’Itpkl Rakotondrainibe Justin
Ny havany :
Ny terak’Itpkl Rainijery, Mpitandrina
Ny fianakaviana manontolo
Ny Mpitandrina sy ny Eglise Adventiste Francophone Ambohijatovo
Ny Mpampianatra sy ny Mpianatra, sekoly E.PRI.MA Andravoahangy
Ny fokontany Analamahitsy sy Ankadilalampotsy (Antananarivo Atsimondrano)
Ny nofony dia ho entina miala ao an-tranony lot II N 76 F, Analamahitsy amin’ny zoma 5 oktobra 2007 amin’ny 1 ora tolakandro ary ho entina ao amin’ny Eglise Adventiste Francophone Ambohijatovo ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra alohan’ny hanaterana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Ankadilalampotsy, Antananarivo Atsimondramo.
« Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay ».
(Jaona 11 : 25, 26)