Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 10h18
 

Teny zato, kabary arivo

Izay voa manodidina

mardi 16 octobre 2007 | Naivo kely

Fihemorana any anaty lavaka ny fifanonganana an-dalambe, ka samy mahatsapa ny rehetra fa ny fifidianana ihany no vaha-olana handraisana fahefana. Na dia tsy nisy fivoriana niraisana aza teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, dia tsapa fa ireo no hevitra mivoaka ny vavan’ny mpanao politika mbola te-handala ny demokrasia.

Zava-droa loha no azo handikana io hevitra io, ka raha aty amin’ny mpanohitra dia eo aloha ny fatahorana ny higadra amin’ny fanangonana olona an-dalambe toy ny nahazo an’i Victor Wong izay nidirany am-ponja volana maro. Ankoatry izay dia samy mahatsapa ny tsirairay fa fahefana tsy marim-pototra no entina raha amin’ny alàlan’ny fanonganam-panjakana no atao, satria dia ho latsaka lalina indray ny hari-karena faobe raha tojo amin’io. Fahefana tampoka toy ny tamin’ny andron’ny Profesora Zafy Albert hatraiza no niafarany ? Inona no fifanonganana niseho tao ka nampiverina ny mpitondra taloha ? Ny dokotera Manan’Ingace izay nisolo tena ny TMM tao amin’ny Radio ACEEM ny alahady teo dia mbola nanipika fa manomana ny handray fahefana, saingy amin’ny alàlan’ny latsa-bato ihany no ahafahana hanaovana izany, saingy ny tsininy dia mazàna tsy mankasitraka ny fifidianana ny lehilahy ary mitaona ny olona tsy hifidy mihitsy. Ry Mara Niarisy sy ny tariny izay mpanakiana ny fanomanana ny fifidianana teto tao anatin’ny fotoana naharitra, dia mbola nanamafy fa làlan’ny demokrasia ny fanovana miainga ao anatin’ny latsa-bato, ary zon’ny mpikambana ao anatin’ny antokony raha mbola mandray anjara amin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna ny antoko misy azy. Fantatra io raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny Motel ireto depiote teo aloha tsy lany intsony ireto.

Biletà tokana ...

Hatreto dia mila matanjaka ny fanaraha-maso ny fanomanana ny latsa-bato sy ny fanarahana ny vokatra avy eo, satria efa samy manaiky ny rehetra fa ny fifidianana ihany no làlan-tokana sy maha-marim-pototra ny fahefana raha te-handray fahefana. Izany no hitakian’ny rehetra ny tokony hanovana ny lalàm-pifidianana, ka vaindohan-draharaha amin’io ny fanaovana ny bileta tokana, ary hapetraka ho tantanin’ny tsy miankina ny fifidianana. Ekena fa misy ny mpanara-maso ny fifidianana vahiny nampiasaina teto, saingy maharaka ny tena zava-misy ve izy ireo ? Samia mandinika izay voalaza, fa ny tsapa dia tsy mankasitraka ny fandraisana fahefana an-dalambe ny rehetra, ka izay no mila ahamatotra ny fitsipi-dalao eo amin’ny fifidianana mba ny tena safidim-bahoaka no hivoaka, fa tsy sanatria ho marim-pototra ny tenin’ny mpanohitra hilaza hoe fanendrena no atao eto fa tsy fifidianana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS