Fanarenana ny lapan’ny tanà na
Manomeza kely. Isan’ny teny fanarabiana ataon’ny ankolafin’olona eto amin tsika io rehefa te-hangataka amin’olona iray hafa. Nanomboka tamin’ny naha-may ny rovan’i Manjakamiadana no nandrenesana io teny iray io.
Ny datin’ny 13 may ho avy izao no fantatra fa hametraka ny vato fototra ho fanarenana ny lapan’ny tanana etsy Analakely ny ben’ny tanana Andry Rajoelina. Isan’ny ben’ny tanà na nanana finiavana hanarina io lapa io indray izany ingahy Andry TGV. Ny ben’ny tanà na Guy Willy Razanamasy no fantatra fa sainga hanarina io lapa io, taorian’ny fitondran’ny AKFM ny tanà na, nefa rehefa niakatra teo amin’ny fitantanana ny tanà na ny ben’ny tanà na Ravalomanana, dia nofoanany io fifanarahana tamin’ny firenena vahiny io. Nanomboka teo dia zary nihanjahanja irery teo ity faritra ity, ary ny ben’ny tanà na Patrick Ramiaramanana no nanita-kevitra nanatsara io faritra io novolena voninkazo mahafinaritra ho toerana fialana sasatra ho an’ireo izay valaka amin’ny asany.
Tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny vola entina hananganana ny lapa, fa mifanindry tanteraka ny daty nahamay ity toerana manan-tantara ity ny andro hametrahana izany vato fototra izany. Mba nankaiza tokoa ireo vola nangonina hanarenana ity toerana ity tamin’ny fotoan’androny ? Enga anie mba tsy ho heno intsony ilay fiteny etsy aloha manao hoe manome kely hanarenana ny lapa ? Sa izay no heverina fa tetika ho entina hananganana ny rava ?