Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 02h33
 

Malagasy

Fanarenana ny lapan’ny tanàna

Iza no hamatsy vola ny kaominina ?

samedi 10 mai 2008 | Naivo kely

Manomeza kely. Isan’ny teny fanarabiana ataon’ny ankolafin’olona eto amin
tsika io rehefa te-hangataka amin’olona iray hafa. Nanomboka tamin’ny naha-may ny rovan’i Manjakamiadana no nandrenesana io teny iray io.

Ny datin’ny 13 may ho avy izao no fantatra fa hametraka ny vato fototra ho fanarenana ny lapan’ny tanana etsy Analakely ny ben’ny tanana Andry Rajoelina. Isan’ny ben’ny tanàna nanana finiavana hanarina io lapa io indray izany ingahy Andry TGV. Ny ben’ny tanàna Guy Willy Razanamasy no fantatra fa sainga hanarina io lapa io, taorian’ny fitondran’ny AKFM ny tanàna, nefa rehefa niakatra teo amin’ny fitantanana ny tanàna ny ben’ny tanàna Ravalomanana, dia nofoanany io fifanarahana tamin’ny firenena vahiny io.
Nanomboka teo dia zary nihanjahanja irery teo ity faritra ity, ary ny ben’ny tanàna Patrick Ramiaramanana no nanita-kevitra nanatsara io faritra io novolena voninkazo mahafinaritra ho toerana fialana sasatra ho an’ireo izay valaka amin’ny asany.

Tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny vola entina hananganana ny lapa, fa mifanindry tanteraka ny daty nahamay ity toerana manan-tantara ity ny andro hametrahana izany vato fototra izany. Mba nankaiza tokoa ireo vola nangonina hanarenana ity toerana ity tamin’ny fotoan’androny ? Enga anie mba tsy ho heno intsony ilay fiteny etsy aloha manao hoe manome kely hanarenana ny lapa ? Sa izay no heverina fa tetika ho entina hananganana ny rava ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS