Madagascar Tribune | Indroa novonoiny ny zanany
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
lundi 12 mai 2008
 

 > Malagasy

Antsirabe

Indroa novonoiny ny zanany

vendredi 28 mars 2008, par Princia R.
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=
Talohan’ny fetin’ny paska teo dia nahitana zaza tsy misy aina intsony tao amin’ny ranon’ny Sahalombo Antsirabe. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy iza tsy akory fa ny reny niteraka azy ihany no namalana azy an-drano, ary vao 1 taona monja ilay zaza. Tratra tamina toerana iray teto Antsirabe, teny Atsinanan’Ivohitra, ilay ramatoa ary rehefa nanao ny asany ny zandary dia niaiky ny zava-bitan’ilay ramatoa ary mbola namafisiny fa fanindroany tamin’izao no namonoany ny zanany. 19 taona ity vehivavy renim-pianakaviana ity. Tamin’ny taona 2004 no namonoany ny zanany iray vao enimbolana monja. Notapenany ny orony. Tsy tratra izy tamin’izany fa nambarany tamin’ny manodidina fa maty noho ny aretina ilay zaza. Tamin’ity kosa dia tsy nisy azony nialàna intsony satria nisy nahita ny nanaovany ny asa ratsiny. Efa manefa ny sazy sahaza azy izy ankehitriny.
   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  • ->http://mondialprox.com/

  •    mars 2008   
    L Ma Me J V S D
              1 2
    3 4 5 6 7 8 9
    10 11 12 13 14 15 16
    17 18 19 20 21 22 23
    24 25 26 27 28 29 30
    31            
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP