Madagascar Tribune | Indraim-bava
Utilisez nos fils RSS pour retrouver rapidement l'actualité :  Les dernières actualités  Actus Générales    Annonces personnelles  Annonces    Netvibes    Google    My Yahoo!
samedi 19 juillet 2008
 

 > Malagasy

Indraim-bava

mercredi 7 mai 2008
  Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=


- Hangina aho hoy i Zakahely : Hivory no hiakarako eto Tsimbazaza. Midika izany fa misy feon’ny vahoaka tiany ho entiko momba ny asa tokony hatao any Fenoarivo Atsinanana. Raha misy fisamborana ahy inona no azoko atao, satria kely sy bitika aho. Hangina aho fa tsy haneho hevitra politika intsony hoy ihany ingahy Zakahely.

- Fanohizan’asa no atao hoy kosa ny depiote Donat Andriamahefamparany : Raha nanambara ny filoham-pirenena fa izao vao tena hanomboka ny asa eto amin’ny firenena, dia mety ho marina izany hoy ity depiote ity, satria izao vao tafapetraka avokoa ny rafitra rehetra, saingy fanohizana asa ihany rehefa tena jerena ny fandehany. Ny antony dia nisy ny asa nataonay fony izahay tao anaty Governemanta, ary izay ilay fanohizana eo amin’ny asam-panjakana.

- Tsy nanaratsy ireo loholona vao notendrena aho hoy i Pierre Raharijaona : Anjaran’ny filoham-pirenena ny manendry izay olona tiany ho loholona fa tsy anjarako. Tsy namoaka vava nanaratsy azy ireo aho no dikan’izany. Ny MAP dia mitovy amin’ny asa heverin’ny Arema matotra ho atao, izay vonona hatrany izahay hanohana io tetikasa io, ary mbola hifanome tanana amin’ny filoha Ravalomanana.

Nangonin’i Naivo Kely

   Imprimer cet article    Enregistrer au format PDF   envoyer l'article par mail title=   
 

Pour vos voyages, utilisez l'un des meilleurs comparateurs actuels


  •    mai 2008   
    L Ma Me J V S D
          1 2 3 4
    5 6 7 8 9 10 11
    12 13 14 15 16 17 18
    19 20 21 22 23 24 25
    26 27 28 29 30 31  
     

    Mettre en page d'Accueil | Ajouter á mes Favoris | Newsletter | © Madagascar Tribune | Propulsé par Vahiny |  Motorisé par SPIP